1 ULB Omeo ny mpanjaka ireo lalànao marina, Andriamanitra o, ny fahamarinanao ho an'ny zanaka lahin'ny mpanjaka. BSB BSB: Of Solomon. Endow the king with Your justice, O God, and the son of the king with Your righteousness.
2 ULB Hitsara ny olona amin'ny fahamarinana anie izy ary ny mahantranao amin'ny rariny. BSB BSB: May he judge Your people with righteousness and Your afflicted with justice.
3 ULB Hamoa fiadanana ho an'ny olona anie ireo tendrombohitra; hamoa fahamarinana anie ireo havoana. BSB BSB: May the mountains bring peace to the people, and the hills bring righteousness.
4 ULB Hitsara ny mahantra amin'ny vahoaka anie izy; hanavotra ireo zanaky ny ory anie izy ka hamotipotika ny mpampahory. BSB BSB: May he vindicate the afflicted among the people; may he save the children of the needy and crush the oppressor.
5 ULB Hanome voninahitra Anao anie izy ireo raha mbola eo koa ny masoandro, ary raha mbola maharitra koa ny volana manerana ny taranaka hifandimby rehetra. BSB BSB: May they fear him as long as the sun shines, as long as the moon remains, through all generations.
6 ULB Hirotsaka tahaka ny orana eny amin'ny ahitra voatapaka anie izy, tahaka ny rotsak'orana izay manondraka ny tany. BSB BSB: May he be like rain that falls on freshly cut grass, like spring showers that water the earth.
7 ULB Hamony amin'ny androny anie ny olo-marina, ary hisy fiadanam-be anie ambara-pahafoanan'ny volana. BSB BSB: May the righteous flourish in his days and prosperity abound until the moon is no more.
8 ULB Hanana fanapahana amin'ny ranomasina mankany amin'ny ranomasina anie izy. BSB BSB: May he rule from sea to sea, and from the Euphrates to the ends of the earth.
9 ULB Hiankohoka eo anatrehany anie ireo monina any an'efitra; hisolelaka vovoka anie ireo fahavalony. BSB BSB: May the nomads bow before him, and his enemies lick the dust.
10 ULB Ireo mpanjakan'i Tarsisy sy ny an'ireo nosy anie handoa hetra; ireo mpanjakan'i Sheba sy Seba anie hanolotra fanomezana. BSB BSB: May the kings of Tarshish and distant shores bring tribute; may the kings of Sheba and Seba offer gifts.
11 ULB Ho lavo eo anatrehany tokoa anie ireo mpanjaka rehetra; hanompo azy anie ireo firenen-drehetra. BSB BSB: May all kings bow down to him and all nations serve him.
12 ULB Fa manavotra ny olona ory izay mitaraina sy ny olo-mahantra izay tsy manana mpanavotra hafa izy. BSB BSB: For he will deliver the needy who cry out and the afflicted who have no helper.
13 ULB Mamindra fo amin'ny mahantra sy ory izy, ary manavotra ny ain'ny olona ory. BSB BSB: He will take pity on the poor and needy and save the lives of the oppressed.
14 ULB Mamonjy ny ain'izy ireo amin'ny fampahoriana sy herisetra izy, ary sarobidy eo imasony ny ràn'izy ireo. BSB BSB: He will redeem them from oppression and violence, for their blood is precious in his sight.
15 ULB Ho velona anie izy! Homena Azy anie ny volamenan'i Sheba. Hivavaka ho azy foana anie ny olona; hitahy azy andro lava anie Andriamanitra. BSB BSB: Long may he live! May gold from Sheba be given him. May people ever pray for him; may they bless him all day long.
16 ULB Hisy fahabetsaham-bary anie eny amin'ny tany; eny amin'ny antampon-tendrombohitra anie no hisy volin'izy ireo. Ho tahaka an'i Libanona anie ny vokatr'izany; hamony tahaka ny ahitry ny saha anie ny olona ao an-tanàna. BSB BSB: May there be an abundance of grain in the land; may it sway atop the hills. May its fruit trees flourish like the forests of Lebanon, the people of its cities like the grass of the field.
17 ULB Haharitra mandrakizay anie ny anarany; haharaitra tahaka ny masoandro anie ny anarany; ho voatahy ao aminy anie ny olona; hiantso Azy hoe sambatra anie ny firenen-drehetra. BSB BSB: May his name endure forever; may his name continue as long as the sun shines. In him may all nations be blessed; may they call him blessed.
18 ULB Isaorana anie Yaveh Andriamanitra, ilay Andriamanitr'Israely, izay Izy irery no manao zava-mahagaga. BSB BSB: Blessed be the LORD God, the God of Israel, who alone does marvelous deeds.
19 ULB Isaorana mandrakizay anie ny anarany be voninahitra, ary ho feno ny voninahiny anie ny tany manontolo. Amen dia Amen. BSB BSB: And blessed be His glorious name forever; may all the earth be filled with His glory. Amen and amen.
20 ULB Tapitra ny fivavahan'i Davida zanaka lahin'i Jese. Boky fahatelo BSB BSB: Thus conclude the prayers of David son of Jesse.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.