1 ULB Andriamanitra o, nahoana no dia nandà anay mandrakizay Ianao? Nahoana no dia mirehitra amin'ny ondrin'ny fihinanam-bilonao ny hatezeranao? BSB BSB: A Maskil of Asaph. Why have You rejected us forever, O God? Why does Your anger smolder against the sheep of Your pasture?
2 ULB Tsarovy ny olonao, izay nenjehinao tamin'ny fotoana taloha, ny foko izay efa navotanao mba ho lovanao manokana, sy ny tendrombohitra Ziona, izay onenanao. BSB BSB: Remember Your congregation, which You purchased long ago and redeemed as the tribe of Your inheritance—Mount Zion, where You dwell.
3 ULB Tongava hijery ny faharavana tanteraka, ny fahasimbana rehetra izay nataon'ny fahavalo tamin'ny fitoerana masina. BSB BSB: Turn Your steps to the everlasting ruins, to everything in the sanctuary the enemy has destroyed.
4 ULB Mierona eo afovoan'ny toerana voatondronao ireo fahavalonao; mametraka ny sainan'ny adiny. BSB BSB: Your foes have roared within Your meeting place; they have unfurled their banners as signs,
5 ULB Nanapatapaka amin'ny famaky tahaka ny any amin'ny ala mikitroka izy ireo. BSB BSB: like men wielding axes in a thicket of trees
6 ULB Namotipotika sy nandrodana ireo sokitra rehetra; novakian'izy ireo tamin'ny famaky sy tantanana. BSB BSB: and smashing all the carvings with hatchets and picks.
7 ULB Mandoro ny fitoeranao masina izy ireo; manimbazimba ny fonenanao, manazera izany amin'ny tany. BSB BSB: They have burned Your sanctuary to the ground; they have defiled the dwelling place of Your Name.
8 ULB Hoy izy ireo anakampo hoe: "Hopotehinay avokoa izy rehetra ireo." Nodoran'izy ireo avokoa ny toeranao fihaonana rehetra teny amin'ny tany. BSB BSB: They said in their hearts, “We will crush them completely.” They burned down every place where God met us in the land.
9 ULB Tsy mahita famantarana intsony izahay; tsy misy mpaminany intsony, ary tsy misy aminay mahalala izay haharetan'izany. BSB BSB: There are no signs for us to see. There is no longer any prophet. And none of us knows how long this will last.
10 ULB Mandra-pahoviana, Andriamanitra o, no handefasan'ireo fahavalo ompa any aminao? Moa hiteny ratsy ny Anaranao mandrakizay ve izy ireo? BSB BSB: How long, O God, will the enemy taunt You? Will the foe revile Your name forever?
11 ULB Nahoana Ianao no mihazona ny tananao, ny tananao ankavanana? Esory ao anaty akanjonao ny tananao ankavanana ka aringano izy ireo. BSB BSB: Why do You withdraw Your strong right hand? Stretch it out to destroy them!
12 ULB Kanefa Andriamanitra dia mpanjakako efa hatramin'ny taloha, mitondra famonjena amin'ny tany. BSB BSB: Yet God is my King from ancient times, working salvation on the earth.
13 ULB Ianao no nampisaraka ny ranomasina tamin'ny herinao; Ianao no namotipotika ny lohan'ireo dragon'ny ranomasina tao anaty rano. BSB BSB: You divided the sea by Your strength; You smashed the heads of the dragons of the sea;
14 ULB Ianao no nanorotoro ny lohan'ireo leviatana; Ianao no namahana azy ho amin'ireo velona tany an'efitra. BSB BSB: You crushed the heads of Leviathan; You fed him to the creatures of the desert.
15 ULB Ianao no nampivoaka loharano sy riana; Ianao no nandritra ny ony mikoriana. BSB BSB: You broke open the fountain and the flood; You dried up the ever-flowing rivers.
16 ULB Anao ny andro, ary Anao koa ny alina; Ianao no nametra ny masoandro amam-bolana amin'ny toerany. BSB BSB: The day is Yours, and also the night; You established the moon and the sun.
17 ULB Ianao efa nametraka ireo vazan-tany rehetra; Ianao efa nanao ny fahavratra sy ny ririnina. BSB BSB: You set all the boundaries of the earth; You made the summer and winter.
18 ULB Tsarovy ny fomba naniratsiran'ny fahavalo Anao, ry Yaveh, ary ireo olona adala izay efa niteny ratsy ny anaranao. BSB BSB: Remember how the enemy has mocked You, O LORD, how a foolish people has spurned Your name.
19 ULB Aza apetraka eo amin'ny bibidia ny ain'ny voromailalanao. Aza manadino ny ain'ireo olonao nampahoriana mandrakizay. BSB BSB: Do not deliver the soul of Your dove to beasts; do not forget the lives of Your afflicted forever.
20 ULB Tsarovy ny fanekenao, fa ny toerana maizina amin'ny tany dia feno toeran'ny herisetra. BSB BSB: Consider Your covenant, for haunts of violence fill the dark places of the land.
21 ULB Aza avela hiverina amin'ny henatra ireo nampahoriana; avelao hihoby ny anaranao ny mahantra sy nampahoriana. BSB BSB: Do not let the oppressed retreat in shame; may the poor and needy praise Your name.
22 ULB Mitsangàna, Andriamanitra o; arovy ny voninahitrao manokana; tsarovy ny fomba naniratsiran'ny adala Anao andro lava. BSB BSB: Rise up, O God; defend Your cause! Remember how the fool mocks You all day long.
23 ULB Aza manadino ny feon'ireo mpifanandrina aminao na ny tabataban'ireo izay mihantsy Anao tsy anki-janona. BSB BSB: Do not disregard the clamor of Your adversaries, the uproar of Your enemies that ascends continually.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.