1 ULB Maskila nataon'i Asafa. Mihainoa ny fampianarako, ry vahoakako, henoy ireo teny aloaky ny vavako. BSB BSB: A Maskil of Asaph. Give ear, O my people, to my instruction; listen to the words of my mouth.
2 ULB Hanokatra ny vavako amin'ny fanoharana aho; hihira mahakasika ireo zava-miafina momba'ny lasa aho. BSB BSB: I will open my mouth in parables; I will utter things hidden from the beginning,
3 ULB Ireo dia zavatra efa henonay sy efa nianaranay, zavatra izay efa nolazain'ireo razambenay anay. BSB BSB: that we have heard and known and our fathers have relayed to us.
4 ULB Tsy hanafina ireny amin'ny taranany izahay. Hilaza amin'ireo taranaka mandimby ireo asa mendri-piderana nataon'i Yaveh, ny heriny, ary ireo zava-mahagaga efa vitany izahay. BSB BSB: We will not hide them from their children but will declare to the next generation the praises of the LORD and His might and the wonders He has performed.
5 ULB Fa nametraka didim-panekena tamin'i Jakoba Izy, ary nanendry lalàna tany Israely. Nandidy ireo razambenay Izy mba hampianatra ireo amin'ireo zanany. BSB BSB: For He established a testimony in Jacob and appointed a law in Israel, which He commanded our fathers to teach to their children,
6 ULB Nandidy izany Izy mba hahalalan'ireo taranaka handimby ireo didiny, dia ireo zanaka mbola tsy teraka akory, izay tokony hitory izany amin'ny zanak'izy ireo ihany. BSB BSB: that the coming generation would know them—even children yet to be born—to arise and tell their own children
7 ULB Ary hametraka ny fanantenany amin'Andriamanitra izy ireo ka tsy hanadino ireo asany, fa hitandrina ny didiny. BSB BSB: that they should put their confidence in God, not forgetting His works, but keeping His commandments.
8 ULB Ka dia tsy ho tahaka ireo razambeny, izay mafy hatoka sy taranaka mpikomy, taranaka izay tsy mba mahitsy fo, ary izay tsy nanolotra ny fanahiny sy nitoky tamin'Andriamanitra izy ireo. BSB BSB: Then they will not be like their fathers, a stubborn and rebellious generation, whose heart was not loyal, whose spirit was not faithful to God.
9 ULB Ireo Efraimita dia nirongo tsipìka, kanefa nihemotra izy ireo tamin'ny andron'ny ady. BSB BSB: The archers of Ephraim turned back on the day of battle.
10 ULB Tsy nitandrina ny fanekena tamin'Andriamanitra izy ireo, ary nandà ny hankatò ny lalàny. BSB BSB: They failed to keep God’s covenant and refused to live by His law.
11 ULB Nanadino ireo asany, ireo zava-mahagaga izay efa nasehony azy izy ireo. BSB BSB: They forgot what He had done, the wonders He had shown them.
12 ULB Nanadino ireo zava-mahagaga izay nataony teo imason'ireo razambeny, tany amin'ny tany Egypta, tany amin'ny tanin'i Zoana izy ireo. BSB BSB: He worked wonders before their fathers in the land of Egypt, in the region of Zoan.
13 ULB Nanasaraka ny ranomasina Izy ary nitondra azy ireo namakivaky izany; nataony nitsangana tahaka ny manda ny rano. BSB BSB: He split the sea and brought them through; He set the waters upright like a wall.
14 ULB Rahona no nitarihany azy ireo nony andro, ary tamin'ny afo mazava nony alina. BSB BSB: He led them with a cloud by day and with a light of fire all night.
15 ULB Namaky ireo vatolampy tany an'efitra Izy, ary nanome rano be dia be azy ireo, ampy hamenoana ny halalin'ny ranomasina. BSB BSB: He split the rocks in the wilderness and gave them drink as abundant as the seas.
16 ULB Nampikoriana rano avy amin'ny vatolampy Izy ary nataony nikoriana tahaka ny renirano izany. BSB BSB: He brought streams from the stone and made water flow down like rivers.
17 ULB Kinanjo mbola nanohy nanota taminy ihany izy ireo, fikomiana tamin'ilay Avo indrindra tany an'efitra. BSB BSB: But they continued to sin against Him, rebelling in the desert against the Most High.
18 ULB Nihantsy an'Andriamanitra tamin'ny fony izy ireo, tamin'ny alalan'ny fangatahana sakafo mba hahavoky azy ireo. BSB BSB: They willfully tested God by demanding the food they craved.
19 ULB Niteny nanohitra an'Andriamanitra izy ireo; hoy izy ireo hoe: "Afaka mamelatra latabatra ho anay any an'efitra tokoa ve Andriamanitra? BSB BSB: They spoke against God, saying, “Can God really prepare a table in the wilderness?
20 ULB Indro, raha namaky ny vatolampy Izy, dia niraraka ny rano ary nikoriana nandifotra. Nefa afaka manome mofo ihany koa ve Izy? Hamatsy hena ho an'ireo vahoakany ve Izy?" BSB BSB: When He struck the rock, water gushed out and torrents raged. But can He also give bread or supply His people with meat?”
21 ULB Rehefa ren'i Yaveh izany, dia tezitra Izy; ka dia nandoro an'i Jakoba ny afony, ary namely ny Israely ny hatezerany, BSB BSB: Therefore the LORD heard and was filled with wrath; so a fire was kindled against Jacob, and His anger flared against Israel,
22 ULB satria izy ireo dia tsy nino an'Andriamanitra ary tsy natoky ny famonjeny. BSB BSB: because they did not believe God or rely on His salvation.
23 ULB Kinanjo nandidy ny habakabaka ambony Izy ary nanokatra ny varavaran'ny lanitra. BSB BSB: Yet He commanded the clouds above and opened the doors of the heavens.
24 ULB Nandraraka mana toy ny ranon'orana mba hohanin'izy ireo Izy, ary nanome vary azy ireo avy any an-danitra. BSB BSB: He rained down manna for them to eat; He gave them grain from heaven.
25 ULB Nihinana ny mofon'ireo anjely ny vahoaka. Nandefa sakafo be dia be ho azy ireo Izy. BSB BSB: Man ate the bread of angels; He sent them food in abundance.
26 ULB Nampitsoka ny rivotra avy any atsinana teny amin'ny habakabaka izy, ary tamin'ny alalan'ny heriny no nibaikony ny rivotra avy any atsimo. BSB BSB: He stirred the east wind from the heavens and drove the south wind by His might.
27 ULB Nandatsaka hena teo amin'izy ireo tahaka ny vovoka Izy, vorona maro tahaka ny fasi-dranomasina. BSB BSB: He rained meat on them like dust, and winged birds like the sand of the sea.
28 ULB Ireo dia nilatsaka teo afovoan'ny tobin'izy ireo, nanodidina ireo lainy rehetra. BSB BSB: He felled them in the midst of their camp, all around their dwellings.
29 ULB Ary dia nihinana izy ireo ka voky. Nomeny azy ireo izay niriany mafy. BSB BSB: So they ate and were well filled, for He gave them what they craved.
30 ULB Saingy mbola tsy afa-po ihany izy ireo; ny haniny nefa mbola teny am-bavany. BSB BSB: Yet before they had filled their desire, with the food still in their mouths,
31 ULB Ka dia namely azy ireo ny hatezeran'Andriamanitra ary namono ny matanjaka indrindra tamin'izy ireo. Nandavo ireo zatovolahin'Israely Izy. BSB BSB: God’s anger flared against them, and He put to death their strongest and subdued the young men of Israel.
32 ULB Na dia teo aza izany, dia mbola nanota ihany izy ireo, ary tsy nino ireo asany mahatalanjona. BSB BSB: In spite of all this, they kept on sinning; despite His wonderful works, they did not believe.
33 ULB Noho izany Andriamanitra nanafohy ny andronízy ireo; ary feno horohoro ny taonany. BSB BSB: So He ended their days in futility, and their years in sudden terror.
34 ULB Na oviana na oviana nampahorianÁndriamanitra izy ireo, dia nanomboka nikatsaka Azy, ary niverina nitady Azy fatratra. BSB BSB: When He slew them, they would seek Him; they repented and searched for God.
35 ULB Ho tsaroan'izy ireo fa Andriamanitra no vatolampin'izy ireo ary ilay Andriamanitra Avo Indrindra no mpamonjy azy. BSB BSB: And they remembered that God was their Rock, that God Most High was their Redeemer.
36 ULB Kanefa hanao teny malefaka Aminy izy ireo ary handainga Aminy amin'ny tenin'izy ireo. BSB BSB: But they deceived Him with their mouths, and lied to Him with their tongues.
37 ULB Satria ny fon'izy ireo dia tsy mbola nifikitra tanteraka taminy, ary izy ireo dia tsy nahatoky ny fanekeny. BSB BSB: Their hearts were disloyal to Him, and they were unfaithful to His covenant.
38 ULB Fa Izy kosa, amin'ny maha mpamindra fo, dia namela ny helok'izy ireo ary tsy namotika azy ireo. Eny, matetika Izy no mihazona ny hatezerany, ary tsy nanetsika ny fahavinirany rehetra. BSB BSB: And yet He was compassionate; He forgave their iniquity and did not destroy them. He often restrained His anger and did not unleash His full wrath.
39 ULB Tsaroany fa izy ireo dia vita tamin'ny nofo, rivotra mandalo ary tsy miverina intsony. BSB BSB: He remembered that they were but flesh, a passing breeze that does not return.
40 ULB Impiry moa izy ireo no nikomy hanohitra Azy tany an'efitra ary nampalahelo Azy tany amin'ny tany ngazana! BSB BSB: How often they disobeyed Him in the wilderness and grieved Him in the desert!
41 ULB Nihantsy an'i Yaveh hatrany hantrany ka nanafitohina ilay Masin'Israely. BSB BSB: Again and again they tested God and provoked the Holy One of Israel.
42 ULB Izy ireo tsy mba nisaina ny amin'ny heriny, izay nanavotany azy ireo tamin'ny fahavalony BSB BSB: They did not remember His power—the day He redeemed them from the adversary,
43 ULB raha nanatanteraka ireo famantarany mampihorohoro tany Egypta sy ireo fahagagany tany amin'ny faritanin'i Zoana Izy. BSB BSB: when He performed His signs in Egypt and His wonders in the fields of Zoan.
44 ULB Navadiny ho rà ny onin'i Egypta mba tsy hahafahan'izy ireo misotro eo amin'ny reniranony. BSB BSB: He turned their rivers to blood, and from their streams they could not drink.
45 ULB Nandefa andian-dalitra izay nandevona azy ireo Izy ary sahona izay niely tamin'ny tanin'izy ireo. BSB BSB: He sent swarms of flies that devoured them, and frogs that devastated them.
46 ULB Nomeny ny sompanga ny fambolen'izy ireo ary ny asany nomeny ny valala. BSB BSB: He gave their crops to the grasshopper, the fruit of their labor to the locust.
47 ULB Nopotehiny tamin'ny havandra ny voalobok'izy ireo ary ny amontany tamin'ny havandra maro. BSB BSB: He killed their vines with hailstones and their sycamore-figs with sleet.
48 ULB Nandraraka havandra tamin'ny biby fiompin'izy ireo sy varatra tamin'ny ondry aman'osiny Izy. BSB BSB: He abandoned their cattle to the hail and their livestock to bolts of lightning.
49 ULB Nikapoka azy ireo ny firehetan'ny fahatezerany. Nandefa fahavinirana, hatezerana, ary fahoriana tahaka ny singa mitondra loza Izy. BSB BSB: He unleashed His fury against them, wrath, indignation, and calamity—a band of destroying angels.
50 ULB Nanamarina ny lalana ho an'ny fahatezerany Izy; tsy niaro azy ireo tamin'ny fahafatesana Izy; fa kosa nanolotra azy ireo teo amin'ny areti-mandringana. BSB BSB: He cleared a path for His anger; He did not spare them from death but delivered their lives to the plague.
51 ULB Namono ny lahimatoa rehetra tao Egypta Izy, ny voalohan-teraky ny herin'izy ireo tao an-dain'i Hama. BSB BSB: He struck all the firstborn of Egypt, the virility in the tents of Ham.
52 ULB Nitondra ny olony nivoaka tahaka ny ondry Izy ary nitarika azy ireo tany an'efitra tahaka ny andian'ondry. BSB BSB: He led out His people like sheep and guided them like a flock in the wilderness.
53 ULB Nentiny am-pilaminana izy ireo ka tsy natahotra, fa ny ranomasina nandifotra ireo fahavalony. BSB BSB: He led them safely, so they did not fear, but the sea engulfed their enemies.
54 ULB Ary nitondra azy ireo tany amoron'ny tany masina Izy, tamin'izany tendrombohitra izay azon'ny tanany ankavanana izany. BSB BSB: He brought them to His holy land, to the mountain His right hand had acquired.
55 ULB Nandroaka ireo firenena teo anoloan'izy ireo Izy ary nanendry ireny ho lovany. Nametraka ireo fokon'Israely tao an-dain'izy ireo Izy. BSB BSB: He drove out nations before them and apportioned their inheritance; He settled the tribes of Israel in their tents.
56 ULB Nefa niantsy sy nandà ilay Andriamanitra Avo Indrindra izy ireo ary tsy nitandrina ireo didy masiny. BSB BSB: But they tested and disobeyed God Most High, for they did not keep His decrees.
57 ULB Tsy nahatoky izy ireo ary nivadika tahaka ireo razany; nania tahaka ny tsipìka manjiona izy ireo. BSB BSB: They turned back and were faithless like their fathers, twisted like a faulty bow.
58 ULB Satria izy ireo nampatezitra Azy tamin'ny fitoerana avon'izy ireo ary nihantsy ny hasarotam-piarony tamin'ireo sampy. BSB BSB: They enraged Him with their high places and provoked His jealousy with their idols.
59 ULB Rehefa nahare izany Andriamanitra, dia tezitra sy nandà tanteraka an'Israely. BSB BSB: On hearing it, God was furious and rejected Israel completely.
60 ULB Nandao ny fitoerana masina tao Silo Izy, ilay lay izay nitoerany teo amin'ireo vahoaka. BSB BSB: He abandoned the tabernacle of Shiloh, the tent He had pitched among men.
61 ULB Namela ny tanjany ho babo Izy, ary nanome ny voninahiny ho eo an-tanan'ny fahavalo. BSB BSB: He delivered His strength to captivity, and His splendor to the hand of the adversary.
62 ULB Nanolotra ny olony ho amin'ny sabatra Izy, ary tezitra tamin'ny lovany. BSB BSB: He surrendered His people to the sword because He was enraged by His heritage.
63 ULB Ny afo nandevona ireo zatovolahiny, ary ireo zatovovaviny tsy mba nanana hira fampakarana. BSB BSB: Fire consumed His young men, and their maidens were left without wedding songs.
64 ULB Lavon'ny sabatra ireo mpisorony, ary tsy naha-tomany ireo mpitondratenan'izy ireo. BSB BSB: His priests fell by the sword, but their widows could not lament.
65 ULB Avy eo dia nifoha tahaka ny avy natory ny Tompo, tahaka ny mpiady miantsoantso nohon'ny divay. BSB BSB: Then the Lord awoke as from sleep, like a mighty warrior overcome by wine.
66 ULB Dia nandroaka ireo fahavalony Izy; ary nametraka azy ireo ho amin'ny henatra mandrakizay. BSB BSB: He beat back His foes; He put them to everlasting shame.
67 ULB Nolaviny ny lain'i Josefa, ary tsy nisafidy ny fokon'i Efraima Izy. BSB BSB: He rejected the tent of Joseph and refused the tribe of Ephraim.
68 ULB Ny fokon'i Joda sy ny tendrombohitra Ziona tiany no nosafidiany. BSB BSB: But He chose the tribe of Judah, Mount Zion, which He loved.
69 ULB Nanorina ny fitoerany masina tahaka ny lanitra izy, ary tahaka ny tany izay efa naoriny mandrakizay. BSB BSB: He built His sanctuary like the heights, like the earth He has established forever.
70 ULB Nisafidy an'i Davida, mpanompony Izy, ary naka azy avy tany am-balan'ondry. BSB BSB: He chose David His servant and took him from the sheepfolds;
71 ULB Naka azy avy tamin'ny fanarahana ireo ondry vavy mbamin'ny zanany Izy, ary nitondra azy ho mpiandry an'i Jakoba, vahoakany, sy an'Israely, lovany. BSB BSB: from tending the ewes He brought him to be shepherd of His people Jacob, of Israel His inheritance.
72 ULB Niandry azy ireo tamin'ny fahitsian'ny fony i Davida, ary nitondra azy ireo tamin'ny fahaizan'ny tanany. BSB BSB: So David shepherded them with integrity of heart and guided them with skillful hands.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.