1 ULB Hihira ho an'ny asan'ny fanekena mahatokin'i Yaveh mandrakizay aho. Hanambara ny fahamarinanao amin'ireo taranaka ho avy aho. BSB BSB: A Maskil of Ethan the Ezrahite. I will sing of the loving devotion of the LORD forever; with my mouth I will proclaim Your faithfulness to all generations.
2 ULB Fa izaho efa nilaza hoe: "Efa napetraka mandrakizay ny fanekena mahatoky; efa napetrakao any an-danitra ny fahamarinanao." BSB BSB: For I have said, “Loving devotion is built up forever; in the heavens You establish Your faithfulness.”
3 ULB Efa nanao fifanekena tamin'ilay voafidiko Aho, efa nanao fianianana tamin'i Davida mpanompoko Aho. BSB BSB: You said, “I have made a covenant with My chosen one, I have sworn to David My servant:
4 ULB Hampitoetra mandrakizay ny taranakao Aho, ary hampitoetra ny seza fiandriananao manerana ny taranaka rehetra." Sela BSB BSB: ‘I will establish your offspring forever and build up your throne for all generations.’” Selah
5 ULB Midera ireo fahagaganao ny lanitra, ry Yaveh; deraina ao amin'ny fiangonan'ilay masina ny fahamarinanao. BSB BSB: The heavens praise Your wonders, O LORD—Your faithfulness as well—in the assembly of the holy ones.
6 ULB Fa iza eny an-danitra no azo ampitahaina amin'i Yaveh? Iza tamin'ireo zanaka lahin'ireo andriamanitra no mitovy amin'i Yaveh? BSB BSB: For who in the skies can compare with the LORD? Who among the heavenly beings is like the LORD?
7 ULB Izy dia Andriamanitra izay nomena voninahitra lehibe tao amin'ny filan-kevitr'ilay masina ary nahatalanjona ny rehetra nanodidina Azy. BSB BSB: In the council of the holy ones, God is greatly feared, and awesome above all who surround Him.
8 ULB Ry Yaveh Andriamanitra Tompon'ny maro, iza no mahery toa anao, ry Yaveh? Mandrakotra anao ny fahamarinanao. BSB BSB: O LORD God of Hosts, who is like You? O mighty LORD, Your faithfulness surrounds You.
9 ULB Mifehy ny ranomasina mahery Ianao; rehefa manonja ireo, dia mampitony Ianao. BSB BSB: You rule the raging sea; when its waves mount up, You still them.
10 ULB Notorotoroinao toy ny olona novonoina i Rahaba. Nahelinao tamin'ny sandrinao mahery ireo fahavalonao. BSB BSB: You crushed Rahab like a carcass; You scattered Your enemies with Your mighty arm.
11 ULB Anao ny lanitra, ary ny tany ihany koa. Nahary izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy Ianao. BSB BSB: The heavens are Yours, and also the earth. The earth and its fullness You founded.
12 ULB Namorona ny atsimo sy avaratra Ianao. Mifaly amin'ny anaranao i Tabara sy Hermona. BSB BSB: North and south You created; Tabor and Hermon shout for joy at Your name.
13 ULB Manana sandry mahery sy tanana mafy Ianao, ary avo ny tananao ankavanana. BSB BSB: Mighty is Your arm; strong is Your hand. Your right hand is exalted.
14 ULB Ny fahamarinana sy fitsaràna no fanambanin'ny seza fiandriananao. Tonga eo anatrehanao ny fanekena mahatoky sy fahamendreham-pitokiana. BSB BSB: Righteousness and justice are the foundation of Your throne; loving devotion and faithfulness go before You.
15 ULB Samabatra ny olona izay manompo Anao! Yaveh o, mandeha amin'ny fahazavan'ny tavanao izy ireo. BSB BSB: Blessed are those who know the joyful sound, who walk, O LORD, in the light of Your presence.
16 ULB Mifaly amin'ny anaranao mandrakariva izy ireo, ary amin'ny fahamarinanao no hanandratany Anao. BSB BSB: They rejoice in Your name all day long, and in Your righteousness they exult.
17 ULB Ianao no voninahitry ny herin'izy ireo, ary mpandresy amin'ny fankasitrahanao izahay. BSB BSB: For You are the glory of their strength, and by Your favor our horn is exalted.
18 ULB Fa an'i Yaveh ny apiganay; ny mpanjakanay dia an'Ilay Masin'Israely. BSB BSB: Surely our shield belongs to the LORD, and our king to the Holy One of Israel.
19 ULB Tany aloha dia niteny tamin'ilay mahatokinao tanaty fahitana Ianao; hoy Ianao hoe: "Efa nametraka satro-boninahitra teo amin'ilay mahery Aho; efa nanandratra voasafidy iray tamin'ireo vahoaka aho. BSB BSB: You once spoke in a vision; to Your godly ones You said, “I have bestowed help on a warrior; I have exalted one chosen from the people.
20 ULB Nisafidy an'i Davida mpanompoko Aho; tamin'ny diloiloko masina no nanosorako azy. BSB BSB: I have found My servant David; with My sacred oil I have anointed him.
21 ULB Hanohana azy ny tanako; hampahery azy ny sandriko. BSB BSB: My hand will sustain him; surely My arm will strengthen him.
22 ULB Tsy misy fahavalo hamitaka azy; tsy misy zanaka lahin'ny ratsy fanahy hampahory azy. BSB BSB: No enemy will exact tribute; no wicked man will oppress him.
23 ULB Ho torotoroiko eo anoloany ireo fahavalony; ho vonoiko ireo izay mankahala azy. BSB BSB: I will crush his foes before him and strike down those who hate him.
24 ULB Ny fahamarinako sy ny fanekeko mahatoky no homba azy; ho mpandresy amin'ny anarako izy. BSB BSB: My faithfulness and loving devotion will be with him, and through My name his horn will be exalted.
25 ULB Hapetrako eo ambonin'ny ranomasina ny tanany ary ny tanany ankavanana eo ambonin'ireo ony. BSB BSB: I will set his hand over the sea, and his right hand upon the rivers.
26 ULB Hiantso Ahy izy hoe: 'Ianao no Raiko, ry Andriamanitro, ary vatolampin'ny famonjena ahy.' BSB BSB: He will call to Me, ‘You are my Father, my God, the Rock of my salvation.’
27 ULB Izaho ihany koa hametraka azy ho toy ny zanako lahimatoa, ilay ambony indrindra amin'ireo mpanjakan'ny tany. BSB BSB: I will indeed appoint him as My firstborn, the highest of the kings of the earth.
28 ULB Hanitatra ny fanekena mahatokiko aminy mandrakizay Aho; ary ny fifanekeko aminy dia ho voaaro. BSB BSB: I will forever preserve My loving devotion for him, and My covenant with him will stand fast.
29 ULB Hampaharitra ireo taranany mandrakizay Aho ary ny seza fiandrianany haharitra tahaka ny habakabaka eny ambony. BSB BSB: I will establish his line forever, his throne as long as the heavens endure.
30 ULB Raha mahafoy sy tsy mankatò ireo lalàko ny zanany, BSB BSB: If his sons forsake My law and do not walk in My judgments,
31 ULB raha mandika ny fitsipiko ary tsy mitandrina ireo filalako izy ireo, BSB BSB: if they violate My statutes and fail to keep My commandments,
32 ULB dia hanafay ny fikomian'izy ireo amin'ny tsorakazo Aho ary ny helony amin'ny tsoka. BSB BSB: I will attend to their transgression with the rod, and to their iniquity with stripes.
33 ULB Fa tsy hanaisotra aminy ny fitiavako tsy miova na hivadika amin'ny fampanantenako Aho. BSB BSB: But I will not withdraw My loving devotion from him, nor ever betray My faithfulness.
34 ULB Tsy handika ny fanekeko na hanova ireo tenin'ny molotro Aho. BSB BSB: I will not violate My covenant or alter the utterance of My lips.
35 ULB Efa nianiana tamin'ny fahamasinako indray mandeha Aho— tsy handainga amin'i Davida Aho: BSB BSB: Once and for all I have sworn by My holiness—I will not lie to David—
36 ULB Ireo taranany dia hitohy mandrakizay ary ny seza fiandrianany dia haharitra toy ny masoandro eo anoloako. BSB BSB: his offspring shall endure forever, and his throne before Me like the sun,
37 ULB Izany dia hipetraka mandrakizay toy ny volana, ilay vavolombelona mahatoky eny an-danitra." Sela. BSB BSB: like the moon, established forever, a faithful witness in the sky.” Selah
38 ULB Saingy Ianao tsy nanaiky sy nandà; tezitra tamin'ilay mpanjakanao voahosotra. BSB BSB: Now, however, You have spurned and rejected him; You are enraged by Your anointed one.
39 ULB Efa niala tamin'ny faneken'ny mpanomponao Ianao. Efa nanimbazimba ny satro-boninahiny tamin'ny tany Ianao. BSB BSB: You have renounced the covenant with Your servant and sullied his crown in the dust.
40 ULB Efa narodanao ireo rindriny rehetra. Efa noravainao ny fiarovana mafiny. BSB BSB: You have broken down all his walls; You have reduced his strongholds to rubble.
41 ULB Izay rehetra nandalo dia efa nandroba azy. BSB BSB: All who pass by plunder him; he has become a reproach to his neighbors.
42 ULB Efa lasa fitaovana maharikoriko amin'ireo namany izy. Nanandratra ny tanana ankavanan'ireo fahavalony Ianao; nampifalianao ireo fahavalony rehetra. BSB BSB: You have exalted the right hand of his foes; You have made all his enemies rejoice.
43 ULB Navadikao ny lelan-tsabany ka tsy nampijoro azy raha hiady. BSB BSB: You have bent the edge of his sword and have not sustained him in battle.
44 ULB Nofarananao ny famirapiratany; nampidininao tamin'ny tany ny seza fiandrianany. BSB BSB: You have ended his splendor and cast his throne to the ground.
45 ULB Nafohezinao ny andron'ny fahatanorany. Norakofanao henatra izy. Sela BSB BSB: You have cut short the days of his youth; You have covered him with shame. Selah
46 ULB Hafiriana, ry Yaveh? Hanafina ny tenanao mandrakizay ve Ianao? Mandra-pahoviana no hirehitra toy ny afo ny hatezerenao? BSB BSB: How long, O LORD? Will You hide Yourself forever? Will Your wrath keep burning like fire?
47 ULB Oh, saino ny momban'ny androko fohy, sy ny namoronanao ny zanak'olombelona rehetra ho fatifaty foana! BSB BSB: Remember the briefness of my lifespan! For what futility You have created all men!
48 ULB Iza no afaka hiaina ka tsy ho faty, na hanavotra ny ainy manokana eny an-tanan'ny Fiainan-tsy hita? Sela BSB BSB: What man can live and never see death? Can he deliver his soul from the power of Sheol? Selah
49 ULB Ry Tompo, aiza ireo asan'ny fanekena mahatokinao taloha izay nianianan'i Davida tamin'ny fahamarinanao? BSB BSB: Where, O Lord, is Your loving devotion of old, which You faithfully swore to David?
50 ULB Tsarovy, ry Tompo, ny fanesoana natao tamin'ireo mpanomponao ary ny fomba nizakan'ny foko ireo teny ratsy maro avy amin'ireo firenena. BSB BSB: Remember, O Lord, the reproach of Your servants, which I bear in my heart from so many people—
51 ULB Nihiaka teny ratsy ireo fahavalonao, ry Yaveh; nohesoin'izy ireo ny dian-tongotr'ilay voahosotrao. BSB BSB: how Your enemies have taunted, O LORD, and have mocked every step of Your anointed one!
52 ULB Ho deraina mandrakizay anie Yaveh. Amena, Amena. Boky faha efatra. BSB BSB: Blessed be the LORD forever! Amen and amen.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.