1 ULB Ilay mitoetra eo ambany fialofan'ilay Avo Indrindra dia hitoetra ao amin'ny alok'ilay Tsitoha. BSB BSB: He who dwells in the shelter of the Most High will abide in the shadow of the Almighty.
2 ULB Hilaza ny amin'i Yaveh aho hoe: "Izy no fialofako sy fiarovako mafy, Andriamanitro, Izay hitokiako." BSB BSB: I will say to the LORD, “You are my refuge and my fortress, my God, in whom I trust.”
3 ULB Fa Izy no hamonjy anao amin'ny fandriky ny mpihaza sy amin'ny areti-mandoza mahafaty. BSB BSB: Surely He will deliver you from the snare of the fowler, and from the deadly plague.
4 ULB Handrakotra anao amin'ireo elany Izy, ary ao ambany elany no hahitanao fialofana. Ny fahamendreham-pahatokiany dia ampinga sy fiarovana. BSB BSB: He will cover you with His feathers; under His wings you will find refuge; His faithfulness is a shield and rampart.
5 ULB Tsy hatahotra ny horohoron'ny alina ianao, na ny tsipìka izay manidina amin'ny andro, BSB BSB: You will not fear the terror of the night, nor the arrow that flies by day,
6 ULB na ny loza izay mirenireny amin'ny maizina, na ny aretina izay tonga amin'ny mitataovovonana. BSB BSB: nor the pestilence that stalks in the darkness, nor the calamity that destroys at noon.
7 ULB Arivo no mety ho lavo eo anilanao ary iray alina eo amin'ny tananao ankavanana, kanefa tsy hahatratra anao izany. BSB BSB: Though a thousand may fall at your side, and ten thousand at your right hand, no harm will come near you.
8 ULB Fa handinika sy hizaha ny sazin'ny ratsy fanahy fotsiny Ianao. BSB BSB: You will only see it with your eyes and witness the punishment of the wicked.
9 ULB Fa Yaveh no fialofako! Ataovy fialofanao ihany koa ilay Avo Indrindra. BSB BSB: Because you have made the LORD your dwelling—my refuge, the Most High—
10 ULB Tsy hisy ratsy hahazo anao; tsy hisy fahoriana hanakaiky ny fonenanao. BSB BSB: no evil will befall you, no plague will approach your tent.
11 ULB Fa hitarika ireo anjeliny Izy mba hiaro anao, hiambina anao amin'izay lalanao rehetra. BSB BSB: For He will command His angels concerning you to guard you in all your ways.
12 ULB Hanandratra anao amin'ny tanany izy ireo mba tsy ho voan'ny vato ny tongotra. BSB BSB: They will lift you up in their hands, so that you will not strike your foot against a stone.
13 ULB Hanorotoro ireo liona ianao sy ireo menarana ambany tongotrao; hanitsaka ireo liona tanora sy bibilava ianao. BSB BSB: You will tread on the lion and cobra; you will trample the young lion and serpent.
14 ULB Satria efa nanolo-tena ho Ahy izy, dia hamonjy azy Aho. Hiaro azy Aho satria tsy mivadika amiko izy. BSB BSB: “Because he loves Me, I will deliver him; because he knows My name, I will protect him.
15 ULB Rehefa miantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho. Homba azy Aho amin'ny fahoriana; hanome fandresena azy Aho ary hanome voninahitra azy. BSB BSB: When he calls out to Me, I will answer him; I will be with him in trouble. I will deliver him and honor him.
16 ULB Hanome fahafaham-po azy amin'ny fiainana lava Aho ary hampiseho azy ny famonjeko. BSB BSB: With long life I will satisfy him and show him My salvation.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.