Psalm 98 98 Psalms Book 4 Plateau Malagasy Unlocked Literal Bible 1 ULB Mihirà fihiram-baovao ho an'i Yaveh, fa nanao zava-mahagaga Izy; nanome fandresena Azy ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina. BSB BSB: A Psalm. Sing to the LORD a new song, for He has done wonders; His right hand and holy arm have gained Him the victory.
2 ULB Nampahafantatra ny famonjeny Yaveh; nampiseho ampahibemaso ny fahamarinany tamin'ireo firenena rehetra Izy. BSB BSB: The LORD has proclaimed His salvation and revealed His righteousness to the nations.
3 ULB Mahatsiaro ny tsy fivadiham-panekeny sy ny fanekena mahatokiny ho an'ny taranak'Israely Izy; hahita ny fandresen'Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra. BSB BSB: He has remembered His love and faithfulness to the house of Israel; all the ends of the earth have seen the salvation of our God.
4 ULB Mihobia ho an'i Yaveh, ry tany rehetra; Velomy ny hira; mihirà amim-pifaliana, ka mihirà fiderana. BSB BSB: Make a joyful noise to the LORD, all the earth; break forth—let your cry ring out, and sing praises!
5 ULB Mihirà fiderana ho an'i Yaveh amin'ny harpa, amin'ny valiha sy hira mahafinaritra. BSB BSB: Sing praises to the LORD with the lyre, in melodious song with the harp.
6 ULB Amin'ny trompetra sy ny feon'ny anjomara, manaova hiakam-pifaliana eo anatrehan'ilay Mpanjaka, dia i Yaveh. BSB BSB: With trumpets and the blast of the ram’s horn shout for joy before the LORD, the King.
7 ULB Aoka hihiaka ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy; izao tontolo izao sy izay rehetra monina ao aminy! BSB BSB: Let the sea resound, and all that fills it, the world, and all who dwell in it.
8 ULB Aoka ireo renirano hiteha-tanana, ary aoka ireo tendrombohitra hihiaka fifaliana. BSB BSB: Let the rivers clap their hands, let the mountains sing together for joy
9 ULB Tonga hitsara ny tany Yaveh; hitsara izao tontolo izao amin'ny fahamarinana Izy ary ireo firenena amin'ny hitsiny. BSB BSB: before the LORD, for He comes to judge the earth. He will judge the world with righteousness and the peoples with equity.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.
Chapter complete
You’ve read Psalm 98
Make Opened yours A free account keeps your place, highlights and notes on every device. Add Plus to ask Study Help about Psalm 98, and keep Opened free for readers who can’t pay.