1 ULB Nandre feo mafy niantso avy tao an-tempoly aho ary niteny tamin'ireo anjely fito hoe: "Mandehana ary araraho amin'ny tany ireo lovia fito feno ny hatezeran' Andriamanitra." BSB BSB: Then I heard a loud voice from the temple saying to the seven angels, “Go, pour out on the earth the seven bowls of God’s wrath.”
2 ULB Lasa ilay anjely voalohany ary nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny tany; ratra ratsy sy maharary no tonga tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia, ireo izay nankalaza ny sariny. BSB BSB: So the first angel went and poured out his bowl on the earth, and loathsome, malignant sores broke out on those who had the mark of the beast and worshiped its image.
3 ULB Ilay anjely faharoa nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny ranomasina. Lasa rà izany, toy ny ràn'olona maty, ary maty ny zava-manan'aina rehetra tao an-dranomasina. BSB BSB: And the second angel poured out his bowl into the sea, and it turned to blood like that of the dead, and every living thing in the sea died.
4 ULB Ilay anjely fahatelo nandraraka ny tao an-doviany tamin'ireo ony sy loharano, ary lasa rà ireo. BSB BSB: And the third angel poured out his bowl into the rivers and springs of water, and they turned to blood.
5 ULB Reko ny anjelin'ny rano manao hoe: "Marina Ianao_ilay ankehitriny sy taloha, Ilay iray Masina_ satria efa nitsara ireo zavatra ireo Ianao. BSB BSB: And I heard the angel of the waters say: “Righteous are You, O Holy One, who is and was, because You have brought these judgments.
6 ULB Satria ny ràn'ireo mpino sy mpaminany no nalatsak'izy ireo, dia nomenao rà ho sotroina izy ireo; izany no mendrika azy ireo." BSB BSB: For they have spilled the blood of saints and prophets, and You have given them blood to drink, as they deserve.”
7 ULB Reko ny alitara namaly hoe: "Eny, Tompo Andriamanitra lehibe, ireo fitsaranao dia marina sy mahitsy." BSB BSB: And I heard the altar reply: “Yes, Lord God Almighty, true and just are Your judgments.”
8 ULB Ilay anjely fahefatra nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny masoandro, ary nahazo alalana handoro ny olona amin'ny afo izany. BSB BSB: Then the fourth angel poured out his bowl on the sun, and it was given power to scorch the people with fire.
9 ULB Main'ilay hafanana be izy ireo, ary niteny ratsy ny anaran'Andriamanitra, izay manana ny fahefana amin'ireny loza ireny. Tsy nibebaka izy ireo na nanome voninahitra Azy. BSB BSB: And the people were scorched by intense heat, and they cursed the name of God, who had authority over these plagues. Yet they did not repent and give Him glory.
10 ULB Avy eo ilay anjely fahadimy nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny seza fiandrianan'ilay bibi-dia, ary nandrakotra ny fanjakany ny haizina. Nitsako ny lelany izy ireo nohon'ny fahoriana. BSB BSB: And the fifth angel poured out his bowl on the throne of the beast, and its kingdom was plunged into darkness, and men began to gnaw their tongues in anguish
11 ULB Niteny ratsy ilay Andriamanitry ny lanitra izy ireo nohon'ny fahoriana sy ratran'izy ireo, ary mbola nandà ny hibebaka amin'izay vitan'izy ireo ihany izy ireo. BSB BSB: and curse the God of heaven for their pains and sores. Yet they did not repent of their deeds.
12 ULB Ilay anjely faha-enina nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny ony lehibe, ilay Eofrata. Noritina izany mba hanomanana ny lalana ho an'ireo mpanjaka izay ho tonga avy any antsinanana. BSB BSB: And the sixth angel poured out his bowl on the great river Euphrates, and its water was dried up to prepare the way for the kings of the East.
13 ULB Nahita fanahy maloto telo aho izay niendrika sahona mivoaka avy any am-bavan'ny dragona, avy any am-bavan'ny biby-dia, ary avy amin'ny vavan'ny mpaminany sandoka. BSB BSB: And I saw three unclean spirits that looked like frogs coming out of the mouths of the dragon, the beast, and the false prophet.
14 ULB Fa fanahin'ny demonia manao famantarana mahagaga izy ireo. Nankany amin'ireo mpanjakan'izao tontolo izao izy ireo mba hanangona azy ireo miaraka ho an'ny adin'ny andro lehiben'Andriamanitra Avo indrindra. BSB BSB: These are demonic spirits that perform signs and go out to all the kings of the earth, to assemble them for battle on the great day of God the Almighty.
15 ULB ("Indro! Avy toy ny mpangalatra Aho! Sambatra izay miambina, miaro ireo fitafiany mba tsy hivoaka mitanjaka izy ary hitan'izy ireo ny fahamenarany.") BSB BSB: “Behold, I am coming like a thief. Blessed is the one who remains awake and clothed, so that he will not go naked and let his shame be exposed.”
16 ULB Nentin'izy ireo niaraka tany amin'ny toerana izay antsoina hoe Hara-magedona amin'ny Hebreo izy ireo. BSB BSB: And they assembled the kings in the place that in Hebrew is called Armageddon.
17 ULB Avy eo ilay anjely fahafito nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny rivotra. Ary nisy feo mafy nivoaka avy tao an-tempoly sy avy tamin'ny seza fiandrianana, manao hoe: '"Vita izany!" BSB BSB: Then the seventh angel poured out his bowl into the air, and a loud voice came from the throne in the temple, saying, “It is done!”
18 ULB Nisy tselatra, kotroka, kotro-baratra, ary horohoron-tany mafy_ horohoron-tany lehibe noho izay efa nitranga hatramin'izay nisian'olona teto an-tany, ka dia mafy izany horohoron-tany izany. BSB BSB: And there were flashes of lightning, rumblings, peals of thunder, and a great earthquake the likes of which had not occurred since men were upon the earth—so mighty was the great quake.
19 ULB Vaky ho fizarana telo ilay tanàna lehibe, ary rava ny tanànan'ireo firenena. Avy eo Andriamanitra niantso mba hahatsiaro an'i Babylona lehibe, ary nomeny izany tanàna izany ny kapoaka feno divay vita avy amin'ny firehetan'ny fahatezerany. BSB BSB: The great city was split into three parts, and the cities of the nations collapsed. And God remembered Babylon the great and gave her the cup of the wine of the fury of His wrath.
20 ULB Nanjavona ny nosy rehetra, ary tsy hita intsony ireo tendrombohitra. BSB BSB: Then every island fled, and no mountain could be found.
21 ULB Nisy havandra vaventy, milanja eo amin'ny talenta iray eo, nidina avy any an-danitra ho amin'ny olona. Nanozona an'Andriamanitra izy ireo nohon'ny loza avy tamin'ny havandra satria tena mafy loatra izany loza izany. BSB BSB: And great hailstones weighing almost a hundred pounds each rained down on them from above. And men cursed God for the plague of hail, because it was so horrendous.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.