1 ULB Mangataka anareo aho noho izany, ry rahalahy, noho ireo famindram-pon'Andriamanitra, mba hanolotra ny vatanareo ho sorona velona, masina, eken' Andriamanitra. Izany no fanompoanareo araka ny tokony ho izy. BSB BSB: Therefore I urge you, brothers, on account of God’s mercy, to offer your bodies as living sacrifices, holy and pleasing to God, which is your spiritual service of worship.
2 ULB Aza mitovy amin'izao tontolo izao, fa miovà amin'ny fanavaozana ny sainareo. Ataovy izao mba ho fantatrareo izany tsara, azo ekena, ary ny sitrapo lafatr'Andriamanitra. BSB BSB: Do not be conformed to this world, but be transformed by the renewing of your mind. Then you will be able to test and approve what is the good, pleasing, and perfect will of God.
3 ULB Fa ambarako, nohon'ny fahasoavana izay nomena ahy, ny tsy tokony hananan'ny rehetra izay eo aminareo eritreritra hanambony ny tenany mihoatra izay tokony ho eritreretiny. Fa kosa, tokony hieritreritra am-pahendrena izy ireo, tahaka ny nanomezan' Andriamanitra fatram-pinoana ny tsirairay avy. BSB BSB: For by the grace given me I say to every one of you: Do not think of yourself more highly than you ought, but think of yourself with sober judgment, according to the measure of faith God has given you.
4 ULB Fa manana rantsana maro amin'ny vatantsika isika, kanefa tsy mitovy avokoa ny asan'ireo rantsana ireo. BSB BSB: Just as each of us has one body with many members, and not all members have the same function,
5 ULB Mitovy amin'izany, isika izay maro be dia vatana iray ihany ao amin'i Kristy, ary rantsana manokana amin'ny tsirairay. BSB BSB: so in Christ we who are many are one body, and each member belongs to one another.
6 ULB Manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika araka ny fahasoavana izay nomena antsika. Raha faminaniana no fanomezam-pahasoavan'ny iray, dia aoka atao araka ny haben'ny finoany. BSB BSB: We have different gifts according to the grace given us. If one’s gift is prophecy, let him use it in proportion to his faith;
7 ULB Raha fanompoana no fanomezam-pahasoavan'ny iray, dia aoka izy hanompo. Raha nisy iray nahazo fanomezam-pahasoavana hampianatra, aoka izy hampianatra. BSB BSB: if it is serving, let him serve; if it is teaching, let him teach;
8 ULB Raha fampaherezana no fanomezam-pahasoavan'ny iray, aoka izy hampahery. Raha mahanome no fanomezam-pahasoavan'ny iray, aoka izy hanao izany amim-pahalala-tanana. Raha hitarika no fanomezam-pahasoavan'ny iray, aoka izany ho vita am-pitandremana. Raha hampiseho fangoraham-po no fanomezam-pahasoavan'ny iray, aoka izany ho vita am-piravoravoana. BSB BSB: if it is encouraging, let him encourage; if it is giving, let him give generously; if it is leading, let him lead with diligence; if it is showing mercy, let him do it cheerfully.
9 ULB Aoka ny fitiavana tsy hisy fihatsaram-belatsihy. Ankahalao ny ratsy; hazony mafy izay tsara. BSB BSB: Love must be sincere. Detest what is evil; cling to what is good.
10 ULB Raha ny momba ny fitiavan'ny mpirahalahy, mifankatiava aminareo tsirairay avy. Raha ny momba ny fanomezam- boninahitra, mifanajà. BSB BSB: Be devoted to one another in brotherly love. Outdo yourselves in honoring one another.
11 ULB Raha ny momba ny fikirizana, aza misalasala. Raha ny momba ny Fanahy, aoka hafana fo. Momba ny Tompo, tompoy Izy. BSB BSB: Do not let your zeal subside; keep your spiritual fervor, serving the Lord.
12 ULB Mifalia ao amin'ny fahatokiana izay hanananao momba ny ho avy. Mahareta amin'ireo olanao. Mivavaha hatrany. BSB BSB: Be joyful in hope, patient in affliction, persistent in prayer.
13 ULB Mifampizara amin'izay ilain'ny mpino. Mitadiava fomba maro hampiantranoanao olona. BSB BSB: Share with the saints who are in need. Practice hospitality.
15 ULB Miaraha-mifaly amin'ireo izay mifaly; miaraha-mitomany amin'ireo izay mitomany. BSB BSB: Rejoice with those who rejoice; weep with those who weep.
16 ULB Mitovia fisainana amin'ny tsirairay. Aza misaina amin'ny fomba mirehareha, fa ekeo ireo olona ambany. Aza mihevitra ny tenanao ho hendry. BSB BSB: Live in harmony with one another. Do not be proud, but associate with the lowly. Do not be conceited.
18 ULB Raha mety, araka izay azonao atao, mihavana amin'ny olona rehetra. BSB BSB: If it is possible on your part, live at peace with everyone.
20 ULB Fa raha noana ny fahavalonao, omeo sakafo izy. Raha mangetaheta izy, omeo ho sotroina izy. Fa raha manao izany ianao, dia hanangona vain'afo eo amin'ny lohany." BSB BSB: On the contrary, “If your enemy is hungry, feed him; if he is thirsty, give him a drink. For in so doing, you will heap burning coals on his head.”
21 ULB Aza mety ho resin'ny ratsy, fa reseo amin'ny tsara ny ratsy. BSB BSB: Do not be overcome by evil, but overcome evil with good.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.