1 ULB Aoka fanahy rehetra hankatoa ireo manam-pahefana ambony, fa tsy misy fahefana raha tsy avy amin'Andriamanitra. Ary ireo manam-pahefana misy dia efa voatendrin'Andriamanitra. BSB BSB: Everyone must submit himself to the governing authorities, for there is no authority except that which is from God. The authorities that exist have been appointed by God.
2 ULB Noho izany izay manohitra izany fahefana izany dia manohitra ny didin'Andriamanitra; ary ireo izay manohitra izany dia hahazo fitsaràna amin'ny tenan'izy ireo. BSB BSB: Consequently, whoever resists authority is opposing what God has set in place, and those who do so will bring judgment on themselves.
3 ULB Satria ireo mpanapaka dia tsy fampitahorana ho an'ireo asa tsara, fa ho an'ireo asa ratsy. Maniry ny tsy hatahotra ny iray ao amin'ny fahefana ve ianareo? Manaova ny tsara, dia ho deraina amin'izany ianao. BSB BSB: For rulers are not a terror to good conduct, but to bad. Do you want to be unafraid of the one in authority? Then do what is right, and you will have his approval.
5 ULB Noho izany dia tokony hankatoa ianareo, tsy nohon' ny fahatezerana ihany, fa nohon'ny fieritreretana ihany koa. BSB BSB: Therefore it is necessary to submit to authority, not only to avoid punishment, but also as a matter of conscience.
6 ULB Noho izany dia mandoa hetra ihany koa ianareo. Fa mpanompon'Andriamanitra ireo manam-pahefana, izay miandraikitra izany zavatra izany tsy ankiato. BSB BSB: This is also why you pay taxes. For the authorities are God’s servants, who devote themselves to their work.
7 ULB Aloavy amin'ny tsirairay izay tokony ho azy ireo: mandoava hetra amin'izay tokony handoavana azy; mandoava fadin-tseranana amin'izay tokony handoavana azy; matahora an'izay tokony hatahorana; manajà an'izay mendrika izany. BSB BSB: Pay everyone what you owe him: taxes to whom taxes are due, revenue to whom revenue is due, respect to whom respect is due, honor to whom honor is due.
8 ULB Aza manana trosa na amin'iza na amin'iza, afa-tsy ny fifankatiavana ihany. Fa izay tia ny manodidina azy dia nahatanteraka ny lalàna: BSB BSB: Be indebted to no one, except to one another in love. For he who loves his neighbor has fulfilled the law.
9 ULB Maro ireo didy: "Aza mangala-badin'olona, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra," ary raha misy didy hafa ankoatra ireo koa, dia voafehy amin'ity fehezanteny ity izany: "Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao." BSB BSB: The commandments “Do not commit adultery,” “Do not murder,” “Do not steal,” “Do not covet,” and any other commandments, are summed up in this one decree: “Love your neighbor as yourself.”
10 ULB Ny fitiavana dia tsy mandratra ny manodidina; noho izany, ny fitiavana no fahatanterahan'ny lalàna. BSB BSB: Love does no wrong to its neighbor. Therefore love is the fulfillment of the law.
11 ULB Noho izany, fantatrareo ny fotoana, fa efa fotoana hifohazanareo amin'ny torimaso sahady izao. Fa ankehitriny efa manakaiky noho izay ninoantsika tamin'ny voalohany ny fanavotana antsika. BSB BSB: And do this, understanding the occasion. The hour has come for you to wake up from your slumber, for our salvation is nearer now than when we first believed.
12 ULB Mandroso ny alina, ary manakaiky ny andro. Noho izany andao hariana ireo asan'ny maizina, ary andao isika hitafy ny fiadian'ny fahazavana. BSB BSB: The night is nearly over; the day has drawn near. So let us lay aside the deeds of darkness and put on the armor of light.
13 ULB Andao hizotra amin'ny lalana mahitsy, tahaka ny amin'ny andro, fa tsy toy ny amin'ireo firavoravoana tsy am-pahamendrehana na koa ny fahamamoana; ary andao tsy handeha amin'ny fahavetavetana na amin'ny filàna tsy voafehy, ary tsy ho amin'ny fifanoherana na fialonana. BSB BSB: Let us behave decently, as in the daytime, not in carousing and drunkenness, not in sexual immorality and debauchery, not in dissension and jealousy.
14 ULB Fa mitafia an'i Jesosy Kristy Tompo, ary aza manome hirika ho an'ny nofo, mba hanomezana fahafaham-po ny filàny. BSB BSB: Instead, clothe yourselves with the Lord Jesus Christ, and make no provision for the desires of the flesh.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.