1 ULB Ary isika izay matanjaka dia tokony handefitra ny fahalemen'ny malemy, ary tsy tokony hanao izay mahafinaritra ny tenantsika. BSB BSB: We who are strong ought to bear with the shortcomings of the weak and not to please ourselves.
2 ULB Aoka ny tsirairay avy amintsika hanao izay mahafaly ny mpiara-belona aminy fa izany no tsara, mba hanandratana azy. BSB BSB: Each of us should please his neighbor for his good, to build him up.
3 ULB Fa na Kristy aza tsy nanao izay nahafinaritra ny tenany. Fa kosa, izany dia araka ny efa voasoratra hoe: "Ny faniratsiran'ireo izay maniratsira anao dia nianjera tamiko." BSB BSB: For even Christ did not please Himself, but as it is written: “The insults of those who insult You have fallen on Me.”
4 ULB Fa na inona na inona voasoratra teo aloha dia voasoratra ho fampianarana antsika, mba amin'ny alalan'ny faharetana sy amin'ny alalan'ny fampaherezan'ny Soratra Masina no hananantsika toky. BSB BSB: For everything that was written in the past was written for our instruction, so that through endurance and the encouragement of the Scriptures, we might have hope.
5 ULB Ary ny Andiamanitry ny faharetana sy fampaherezana anie hanome fisainana mitovy ho an'ny tsirairay avy araka an'i Kristy Jesosy. BSB BSB: Now may the God who gives endurance and encouragement grant you harmony with one another in Christ Jesus,
6 ULB Izy anie anao izany mba ho amin'ny fisainana iray sy amin'ny vava iray ihany no hideranareo an'Andriamanitra sy Rain'i Tompontsika Jesosy Kristy. BSB BSB: so that with one mind and one voice you may glorify the God and Father of our Lord Jesus Christ.
7 ULB Noho izany mifandraisa, tahaka ny nandraisan'i Kristy anareo ihany koa aza, ho fiderana an'Andriamanitra. BSB BSB: Accept one another, then, just as Christ accepted you, in order to bring glory to God.
8 ULB Fa lazaiko fa Kristy dia efa tonga mpanompon'ny voafora ho an'ny fahamarinan'Andriamanitra, mba hahafahana manamarina ireo fampanantenana izay nomena ireo ray, BSB BSB: For I tell you that Christ has become a servant of the circumcised on behalf of God’s truth, to confirm the promises made to the patriarchs,
9 ULB ary ho an'ireo Jentilisa mba hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra nohon'ny famindram-pony. Izany dia araka ny efa voasoratra hoe: "Noho izany dia hanome fiderana Anao eo amin'ireo Jentilisa Aho ary hihira fiderana ny anaranao." BSB BSB: so that the Gentiles may glorify God for His mercy. As it is written: “Therefore I will praise You among the Gentiles; I will sing hymns to Your name.”
10 ULB Mbola voalaza hatrany hoe: "Miravoravoa, miaraka amin'ny vahoakany, ry Jentilisa." BSB BSB: Again, it says: “Rejoice, O Gentiles, with His people.”
11 ULB Ary koa hoe: "Derao ny Tompo, ry Jentilisa rehetra; avelao ny olona rehetra hidera Azy." BSB BSB: And again: “Praise the Lord, all you Gentiles, and extol Him, all you peoples.”
12 ULB Hoy indray, Isaia hoe: "Hisy fakan'ny Jese, ary ilay iray izay hitsangana hanapaka eo amin'ny Jentilisa. Hanana fahatokiana aminy ireo Jentilisa." BSB BSB: And once more, Isaiah says: “The Root of Jesse will appear, One who will arise to rule over the Gentiles; in Him the Gentiles will put their hope.”
13 ULB Ary ny Andriamanitry ny fahatokisana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy fiadanana rehetra amin'ny finoana, mba ho feno fahatokisana ianareo, avy amin'ny herin'ny Fanahy Masina. BSB BSB: Now may the God of hope fill you with all joy and peace as you believe in Him, so that you may overflow with hope by the power of the Holy Spirit.
14 ULB Ny tenako izao ihany koa dia resy lahatra ny momba anareo, ry rahalahy. Resy lahatra aho fa ianareo ihany koa dia feno fahatsarana, feno ny fahalalana rehetra. Resy lahatra aho fa ianareo ihany koa dia afaka mifananatra. BSB BSB: I myself am convinced, my brothers, that you yourselves are full of goodness, brimming with knowledge, and able to instruct one another.
15 ULB Fa manoratra am-pahasahiana aminareo aho momba ireo zavatra sasany mba hampatsiahivana anareo indray, nohon'ny fanomezam-pahasoavana izay nomen'Andriamanitra ahy. BSB BSB: However, I have written you a bold reminder on some points, because of the grace God has given me
16 ULB Izany fanomezam-pahasoavana izany dia ny tokony mba hanompoako an'i Kristy Jesosy nalefa tany Jentilisa, mba hanolotra tahaka ny sorona ny filazantsaran'Andriamanitra. Tokony hataoko izany mba ho azo ekena ny fanatitr' ireo Jentilisa, voatokan'ny Fanahy Masina. BSB BSB: to be a minister of Christ Jesus to the Gentiles in the priestly service of the gospel of God, so that the Gentiles might become an offering acceptable to God, sanctified by the Holy Spirit.
17 ULB Noho izany ny hafaliako dia ao amin'i Kristy Jesosy sy ireo zavatr'Andriamanitra. BSB BSB: Therefore I exult in Christ Jesus in my service to God.
18 ULB Fa tsy ho sahy hiresaka na inona na inona afa-tsy ireo zavatra vitan'i Kristy tamin'ny alalako ho an'ny fankatoavan'ireo Jentilisa aho. Ireo zavatra ireo dia vita tamin'ny teny sy asa, BSB BSB: I will not presume to speak of anything except what Christ has accomplished through me in leading the Gentiles to obedience by word and deed,
19 ULB tamin'ny herin'ireo famantarana sy fahagagana, ary tamin'ny herin'ny Fanahy Masina. Izany dia mba avy any Jerosalema, sy lavidavitra tahaka an'Ilyrikioma, no hahafahako manataneraka ny filazantsaran'i Kristy. BSB BSB: by the power of signs and wonders, and by the power of the Spirit of God. So from Jerusalem all the way around to Illyricum, I have fully proclaimed the gospel of Christ.
20 ULB Amin'izany, ny faniriako dia ny hitory ny filazantsara, fa tsy any amin'izay ahafantarana an'i Kristy amin'ny anarana, mba tsy hanorenako eo amin'izay efa nanorenan'ny hafa. BSB BSB: In this way I have aspired to preach the gospel where Christ was not known, so that I would not be building on someone else’s foundation.
21 ULB Izany dia araka ny voasoratra hoe: "Tamin'ireo izay tsy nilazana Azy no hahita Azy, ary ireo izay tsy nandre no hahazo." BSB BSB: Rather, as it is written: “Those who were not told about Him will see, and those who have not heard will understand.”
22 ULB Noho izany ihany koa dia voasakana matetika tsy ho any aminareo aho. BSB BSB: That is why I have often been hindered from coming to you.
23 ULB Fa ankehitriny, tsy manana toerana amin'ireo faritra ireo intsony Aho, ary taona maro no efa naniriako mafy ho any aminareo. BSB BSB: But now that there are no further opportunities for me in these regions, and since I have longed for many years to visit you,
24 ULB Noho izany na oviana na oviana andehanako any Espana, dia manantena aho ny hahita anareo rehefa mandalo, ary haterinareo any amin'ny alehako, rehefa avy mankafy ny fiarahanareo vetivety Aho. BSB BSB: I hope to see you on my way to Spain. And after I have enjoyed your company for a while, you can equip me for my journey.
25 ULB Fa ankehitriny ho any Jerosalema Aho hanompo ireo mpino. BSB BSB: Now, however, I am on my way to Jerusalem to serve the saints there.
26 ULB Fa fifalian'i Makedonia sy Akaia ny hanao fandraisan'anjara ho an'ireo mahantra isan'ireo mpino izay any Jerosalema. BSB BSB: For Macedonia and Achaia were pleased to make a contribution for the poor among the saints in Jerusalem.
27 ULB Eny, fifaliana ho azy ireo izany, ary, mpitrosa aminy tokoa izy ireo. Fa raha ny Jentilisa no nizara tamin'ny zavatra masin'izy ireo, dia tokony hanompo azy ireo ihany koa izy ireo amin'ireo zavatra ara-materialy. BSB BSB: They were pleased to do it, and indeed they owe it to them. For if the Gentiles have shared in their spiritual blessings, they are obligated to minister to them with material blessings.
28 ULB Noho izany, rehefa notanterahako izao asa izao ary nanamafy fa voarain'izy ireo ny vokatra izay nangonina, dia ho any Espaina aho ary hitsidika anareo amin'ny lalako. BSB BSB: So after I have completed this service and have safely delivered this bounty to them, I will set off to Spain by way of you.
29 ULB Fantatro fa rehefa mankany aminareo aho dia hiditra amin'ny fahafenoan'ny fitahian'i Kristy. BSB BSB: I know that when I come to you, I will come in the fullness of the blessing of Christ.
30 ULB Ankehitriny mamporisika anareo aho, ry rahalahy, amin'ny Jesosy Kristy Tompontsika, sy amin'ny fitiavan'ny Fanahy, mba hiaraka hiady amiko ianareo amin'ny vavaka ataonareo amin'Andriamanitra ho ahy. BSB BSB: Now I urge you, brothers, by our Lord Jesus Christ and by the love of the Spirit, to join me in my struggle by praying to God for me.
31 ULB Mivavaha mba ho avotra amin'ireo izay tsy mankatoa any Jodia aho, ary mba ho eken'ireo mpino ny fanompoako ho an'i Jerosalema. BSB BSB: Pray that I may be delivered from the unbelievers in Judea, and that my service in Jerusalem may be acceptable to the saints there,
32 ULB Mivavaha mba hiaviako aminareo amin-kafaliana amin'ny sitrapon'Andriamanitra, ary mba hahafahako, mahita fitsaharana, miaraka aminareo. BSB BSB: so that by God’s will I may come to you with joy and together with you be refreshed.
33 ULB Andriamanitry ny fiadanana anie homba anareo rehetra. Amena. BSB BSB: The God of peace be with all of you. Amen.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.