1 ULB Noho izany dia tsy manana fialan-tsiny ianao, ry olona, ianao izay mitsara, fa izay itsaranao ny hafa no anamelohanao ny tenenao. Fa ianao izay mitsara dia manao ireo ihany koa. BSB BSB: You, therefore, have no excuse, you who pass judgment on another. For on whatever grounds you judge the other, you are condemning yourself, because you who pass judgment do the same things.
2 ULB Nefa fantatsika fa ny fitsaran'Andriamanitra dia araka ny marina rehefa mianjera amin'ireo izay manao zavatra tahaka ireo izany. BSB BSB: And we know that God’s judgment against those who do such things is based on truth.
3 ULB Fa hevero izao, ry olona, ianao izay mitsara ireo izay manao zavatra tahaka ireo na dia manao tahaka ireny koa aza ianao. Hitsoaka ny fitsaran'Andriamanitra va ianao? BSB BSB: So when you, O man, pass judgment on others, yet do the same things, do you think you will escape God’s judgment?
4 ULB Sa hamaivaninao ny haren'ny hatsaram-panahiny, ny fandeferany, ary ny faharetany? Tsy fantatrao va fa ny hatsaram-panahiny dia natao hitarika anao amin'ny fibebahana? BSB BSB: Or do you disregard the riches of His kindness, tolerance, and patience, not realizing that God’s kindness leads you to repentance?
5 ULB Fa izany dia ho amin'ny halehiben'ny hamafy sy tsy fibebahan'ny fonareo no anangonanareo fahatezarana ho an'ny tenanareo amin'ny andro fahatezerana, izany dia, ny andron'ny fanehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra. BSB BSB: But because of your hard and unrepentant heart, you are storing up wrath against yourself for the day of wrath, when God’s righteous judgment will be revealed.
7 ULB hanome araka ny faharetana, ny asa tsara mitady dera, voninahitra, ny tsy fahafatesana, fiainana mandrakizay Izy. BSB BSB: To those who by perseverance in doing good seek glory, honor, and immortality, He will give eternal life.
8 ULB Fa ho an'ireo izay mitady ho an'ny tenany, izay tsy mankatoa ny marina fa mankatoa ny tsy fahamarinana, dia ho avy ny fahatezerana sy ny ny fasikana. BSB BSB: But for those who are self-seeking and who reject the truth and follow wickedness, there will be wrath and anger.
9 ULB Andriamanitra dia hitondra fahoriana sy fahantrana amin'ny fanahin'ny olona rehetra izay nanao ratsy, amin'ny Jiosy aloha, ary amin'ny Grika ihany koa. BSB BSB: There will be trouble and distress for every human being who does evil, first for the Jew, then for the Greek;
10 ULB Fa dera, laza, ary fiadanana no ho avy amin'ireo izay manao ny tsara, amin'ny Jiosy aloha, ary amin'ny Grika ihany koa. BSB BSB: but glory, honor, and peace for everyone who does good, first for the Jew, then for the Greek.
11 ULB Fa tsy misy fiangarana miaraka amin'Andriamanitra. BSB BSB: For God does not show favoritism.
12 ULB Fa izay rehetra nanota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana lalàna ihany koa, ary izay rehetra nanota niaraka tamin'ny fanajana ny lalàna dia ho tsaraina araka ny lalàna. BSB BSB: All who sin apart from the law will also perish apart from the law, and all who sin under the law will be judged by the law.
13 ULB Fa tsy ireo mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan'Andriamanitra, fa ireo izay mampihatra ny lalàna no nohamarinina. BSB BSB: For it is not the hearers of the law who are righteous before God, but it is the doers of the law who will be declared righteous.
15 ULB Amin'izany no anehoan'izy ireo fa ny asa angatahan'ny lalàna dia voasoratra ao am-pon'izy ireo. Ny fieritreretan'izy ireo ihany koa dia vavolombelona ho azy ireo, ary ny fisainan'izy ireo manokana dia na manameloka na miaro azy ireo amin'ny tenan'izy ireo BSB BSB: So they show that the work of the law is written on their hearts, their consciences also bearing witness, and their thoughts either accusing or defending them
16 ULB ary koa amin'Andriamanitra. Izany dia hitranga amin'ny andro izay hitsaran'Andriamanitra ireo tsiambaratelon'ny olona rehetra, araka ny filazantsarako, amin'ny alalan'i Jesosy Kristy. BSB BSB: on the day when God will judge men’s secrets through Christ Jesus, as proclaimed by my gospel.
17 ULB Fa raha toa ka Jiosy no hiantsoanao ny tenanao ary miankina amin'ny lalàna sy mirehareha ao amin' Andriamanitra, BSB BSB: Now you, if you call yourself a Jew; if you rely on the law and boast in God;
18 ULB ary mahalala ny sitrapony sy mamantatra izay zavatra tsara indrindra satria nampianarina tamin'ny lalàna ianao; BSB BSB: if you know His will and approve of what is superior because you are instructed by the law;
19 ULB ary raha toa ka resy lahatra ianao fa ny tenanao dia mpitarika ny jamba, fahazavana ho an'ireo izay ao amin'ny aizina, BSB BSB: if you are convinced that you are a guide for the blind, a light for those in darkness,
20 ULB mpanitsy ny adala, mpampianatra ny zazakely, ary anananao ao amin'ny lalàna ny endriky ny fahalalana sy ny marina, dia ahoana izany no fiantraikan'izany amin'ny fomba hiainanao ny fiainanao? BSB BSB: an instructor of the foolish, a teacher of infants, because you have in the law the embodiment of knowledge and truth—
21 ULB Ary ianao izay mampianatra ireo sasany, tsy mampianatra ny tenanao va ianao? Ianao izay mitory manohitra ny halatra, mangalatra va ianao? BSB BSB: you, then, who teach others, do you not teach yourself? You who preach against stealing, do you steal?
22 ULB Ianao izay miteny fa tsy tokony hijangajanga, mijangajanga va ianao? Ianao izay mankahala ny sampy, mandroba ireo tempoly va ianao? BSB BSB: You who forbid adultery, do you commit adultery? You who abhor idols, do you rob temples?
23 ULB Ianao izay faly mirehareha ao amin'ny lalàna, manala-baraka an'Andriamanitra va ianao amin'io fandikanao ny lalàna io? BSB BSB: You who boast in the law, do you dishonor God by breaking the law?
24 ULB Fa "ny anaran' Andriamanitra dia efa afa-baraka teo amin'ireo Jentilisa noho ianareo," araka izay efa voasoaratra. BSB BSB: As it is written: “God’s name is blasphemed among the Gentiles because of you.”
25 ULB Fa mahazo tombony amin'ny famorana tokoa ianareo raha toa ka mankatoa ny lalàna, fa raha mandika ny lalàna ianareo, dia tonga tsy voafora na dia efa voafora aza ianareo. BSB BSB: Circumcision has value if you observe the law, but if you break the law, your circumcision has become uncircumcision.
26 ULB Arak'izany, raha olona tsy voafora no mitandrina izay takian'ny lalàna, tsy hatao ho isan'ny voafora va izy na dia tsy voafora aza? BSB BSB: If a man who is not circumcised keeps the requirements of the law, will not his uncircumcision be regarded as circumcision?
27 ULB Ary tsy ho helohin'ilay iray izay tsy mifora ara-boajanahary va ianareo raha toa ka mitandrina ny lalàna izy? Izany dia satria manana ny lalàna voasoratra sy ny famoràna ianareo, nefa mbola mandika ny lalàna! BSB BSB: The one who is physically uncircumcised yet keeps the law will condemn you who, even though you have the written code and circumcision, are a lawbreaker.
28 ULB Fa izy dia tsy jiosy amin'ny endrika ivelany fotsiny; na amin'ny famoràna izay miseho amin'ny endrika ivelan'ny nofo fotsiny. BSB BSB: A man is not a Jew because he is one outwardly, nor is circumcision only outward and physical.
29 ULB Fa izy dia jiosy ao anaty, ary ny famorana izay an'ny fo, ao amin'ny Fanahy, fa tsy ao amin'ny soratra. Ny fiderana ny olona tahaka izany dia tsy avy amin'ny olona fa avy amin'Andriamanitra. BSB BSB: No, a man is a Jew because he is one inwardly, and circumcision is a matter of the heart, by the Spirit, not by the written code. Such a man’s praise does not come from men, but from God.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.