1 ULB Inona ary no ho lazaintsika? Tokony hanohy amin'ny fahotana ve isika mba hitomboan'ny fahasoavana? BSB BSB: What then shall we say? Shall we continue in sin so that grace may increase?
2 ULB Tsy hisy mihitsy anie izany. Isika izay maty ny amin'ny ota, amin'ny fomba ahoana moa no mbola hiainantsika amin'izany ihany? BSB BSB: Certainly not! How can we who died to sin live in it any longer?
3 ULB Tsy fantatrareo ve fa ireo rehetra natao batisa tao amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa tao amin'ny fahafatesany? BSB BSB: Or aren’t you aware that all of us who were baptized into Christ Jesus were baptized into His death?
4 ULB Koa, voalevina, niaraka taminy tamin'ny alalan'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika. Nitranga izany mba ho toy ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray, no andehanantsika amin'ny fiainam-baovao ihany koa. BSB BSB: We were therefore buried with Him through baptism into death, in order that, just as Christ was raised from the dead through the glory of the Father, we too may walk in newness of life.
5 ULB Fa raha mikambana Aminy amin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia hikambana amin'ny fitsanganany ihany koa. BSB BSB: For if we have been united with Him like this in His death, we will certainly also be united with Him in His resurrection.
6 ULB Fantantsika izany, fa ny tenantsika taloha dia nofantsihana niaraka taminy, mba hamotehana ny tenan'ny ota. Nitranga izany mba ho andevozin'ny ota intsony isika. BSB BSB: We know that our old self was crucified with Him so that the body of sin might be rendered powerless, that we should no longer be slaves to sin.
7 ULB Izy izay maty dia nambara fa marina sady afaka amin'ny fahotana. BSB BSB: For anyone who has died has been freed from sin.
8 ULB Fa raha maty niaraka tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona Aminy ihany koa. BSB BSB: Now if we died with Christ, we believe that we will also live with Him.
9 ULB Isika dia mahafantatra fa nitsangana tamin'ny maty Kristy, ary tsy maty intsony Izy. Tsy manjaka Aminy intsony ny fahafatesana. BSB BSB: For we know that since Christ was raised from the dead, He cannot die again; death no longer has dominion over Him.
10 ULB Fa raha ny momba ny fahafatesana dia maty nohon'ny amin'ny fahotana Izy, maty indray mandeha ho an'ny rehetra Izy. Kanefa, ny fiainana izay hiainany dia iainany ho an'Andriamanitra. BSB BSB: The death He died, He died to sin once for all; but the life He lives, He lives to God.
11 ULB Dia tahaka izany, tsy maintsy mihevitra ny tenanareo ho efa maty amin'ny fahotana ihany koa ianareo, fa velona ho an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy. BSB BSB: So you too must count yourselves dead to sin, but alive to God in Christ Jesus.
12 ULB Noho izany aza avela hanjaka ao amin'ny tenanareo mety maty ny ota mba hanarahanareo ny filàn-dratsy. BSB BSB: Therefore do not let sin reign in your mortal body so that you obey its desires.
13 ULB Aza atolotra ho an'ny fahotana ny ratsam-batanareo, ho fitaovana ampiasaina amin'ny tsy fahamarinana. Fa atolory ho an'Andriamanitra ny tenanareo, toy ny nitsangana tamin'ny maty izay velona ankehitriny. Ary atolory ho an'Andriamanitra ny ratsam-batanareo mba ho fitaovana ampiasaina amin'ny fahamarinana. BSB BSB: Do not present the parts of your body to sin as instruments of wickedness, but present yourselves to God as those who have been brought from death to life; and present the parts of your body to Him as instruments of righteousness.
14 ULB Aza avela hanjaka aminareo ny ota. Satria tsy ambanin'ny lalàna ianareo, fa ambanin'ny fahasoavana. BSB BSB: For sin shall not be your master, because you are not under law, but under grace.
15 ULB Ka inona ary? Tokony hanota ve isika satria tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Tsy hisy mihitsy anie izany. BSB BSB: What then? Shall we sin because we are not under law, but under grace? Certainly not!
16 ULB Tsy fantatrareo ve fa ilay iray izay anoloranareo ny tenanareo ho mpanompo dia ilay iray izay ho hankatoavinareo, ilay hany tsy maintsy hankatoavinareo? Marina izany na mpanompon'ny fahotana izay mitarika any amin'ny fahafatesana ianareo, na mpanompon'ny fankatoavana izay mitarika any amin'ny fahamarinana. BSB BSB: Do you not know that when you offer yourselves as obedient slaves, you are slaves to the one you obey, whether you are slaves to sin leading to death, or to obedience leading to righteousness?
17 ULB Fa isaorana Andriamanitra! Satria efa mpanompon'ny fahotana ianareo, kanefa nankatoa tao am-ponareo ny fomba fampianarana izay nomena anareo. BSB BSB: But thanks be to God that, though you once were slaves to sin, you wholeheartedly obeyed the form of teaching to which you were committed.
18 ULB Nafahana tamin'ny ota ianareo, ary natao mpanompon'ny fahamarinana. BSB BSB: You have been set free from sin and have become slaves to righteousness.
19 ULB Miteny tahaka ny olona aho noho ny fahalemen'ny nofonareo. Satria vantany vao nanolotra ny ratsam-batanareo ho andevon'ny fahalotoana sy ny ratsy ianareo, dia tahaka izany koa izao, atolory ho andevon'ny fahamarinana ho amin'ny fahamasinana ny ratsam-batanareo. BSB BSB: I am speaking in human terms because of the weakness of your flesh. Just as you used to offer the parts of your body in slavery to impurity and to escalating wickedness, so now offer them in slavery to righteousness leading to holiness.
20 ULB Fa fony ianareo andevon'ny ota, dia afaka tamin'ny fahamarinana. BSB BSB: For when you were slaves to sin, you were free of obligation to righteousness.
21 ULB Amin'izao, inona ary no vokatra azonareo tamin'ireo zavatra izay mahamenatra anareo ankehitriny? Satria ny vokatr'ireny zavatra ireny dia ny fahafatesana. BSB BSB: What fruit did you reap at that time from the things of which you are now ashamed? The outcome of those things is death.
22 ULB Fa ankehitriny rehefa nafahana tamin'ny ota ianareo ary tonga mpanompon'Andriamanitra, dia mijinja ny fahamasinana. Ny vokatra dia ny fiainana mandrakizay. BSB BSB: But now that you have been set free from sin and have become slaves to God, the fruit you reap leads to holiness, and the outcome is eternal life.
23 ULB Fa ny tambin'ny ota dia fahafatesana, fa ny fanomezan'Andriamanitra kosa dia ny fiainana mandrakizay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika. BSB BSB: For the wages of sin is death, but the gift of God is eternal life in Christ Jesus our Lord.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.