1 ULB Sa tsy fantarareo, ry rahalahy (satria miresaka amin'ny olona mahay ny momba ny lalàna aho), fa ny lalàna dia mibaiko ny olona iray raha mbola velona koa izy? BSB BSB: Do you not know, brothers (for I am speaking to those who know the law), that the law has authority over a man only as long as he lives?
2 ULB Fa ny vehivavy izay manambady dia voafatotry ny lalàna amin'ny vadiny raha mbola velona izy, fa raha maty ilay vadiny, dia afaka amin'ny lalàn'ny fanambadiana izy. BSB BSB: For instance, a married woman is bound by law to her husband as long as he lives. But if her husband dies, she is released from the law of marriage.
3 ULB Noho izany, raha mbola velona ny vadiny, raha toa ka miray amina lehilahy hafa izy, dia ho antsoina hoe mpijangajanga izy. Fa raha maty ilay vadiny, dia afaka amin'ny lalàna izy, ka tsy mpijangajanga izy raha toa ka miray amina lehilahy hafa. BSB BSB: So then, if she is joined to another man while her husband is still alive, she is called an adulteress; but if her husband dies, she is free from that law and is not an adulteress if she marries another man.
4 ULB Noho izany, ry rahalahiko, dia natao maty tamin'ny lalàna ihany koa ianareo tamin'ny alalan'ny tenan'i Kristy. Natao izany mba hikambananareo amin'ny hafa, izany hoe, amin'Izy izay natsangana tamin'ny maty, mba hafahantsika mamokatra voa ho an'Andriamanitra. BSB BSB: Therefore, my brothers, you also died to the law through the body of Christ, that you might belong to another, to Him who was raised from the dead, in order that we might bear fruit to God.
5 ULB Fa tamintsika tao amin'ny nofo, ireo filàn'ny fahotana, izay nohetsehin'ny lalàna, dia niasa tao amin'ireo ratsantsika mba hamokatra voa ho an'ny fahafatesana. BSB BSB: For when we lived according to the flesh, the sinful passions aroused by the law were at work in our bodies, bearing fruit for death.
6 ULB Fa ankehitriny dia nafahana tamin'ny lalàna isika. Maty tamin'ilay namatotra antsika isika. Izany dia mba hafahantsika manompo amin'ny havaozam-panahy, fa tsy amin'ny fahanteran'ny soratra. BSB BSB: But now, having died to what bound us, we have been released from the law, so that we serve in the new way of the Spirit, and not in the old way of the written code.
7 ULB Inona ary no ho lazaintsika? Ny lalàna mihintsy ve no fahotana? Tsy hisy mihitsy anie izany. Kanefa, tsy ho nahalala ny fahotana mihitsy aho, raha tsy tamin'ny alalan'ny lalàna izany. Fa tsy ho nahalala ny fitsiriritana aho raha tsy niteny ny lalàna hoe: "Aza mitsiriritra." BSB BSB: What then shall we say? Is the law sin? Certainly not! Indeed, I would not have been mindful of sin if not for the law. For I would not have been aware of coveting if the law had not said, “Do not covet.”
8 ULB Fa naka vahana tamin'ny didy ny fahotana ka nahatonga ny fitsiriritana rehetra ato amiko. Fa raha tsy misy ny lalàna, dia maty ny ota. BSB BSB: But sin, seizing its opportunity through the commandment, produced in me every kind of covetous desire. For apart from the law, sin is dead.
9 ULB Fahiny aho dia velona tsy nisy ny lalàna, fa rehefa tonga ny didy, dia velona indray ny ota, ka maty aho. BSB BSB: Once I was alive apart from the law; but when the commandment came, sin sprang to life and I died.
10 ULB Ny didy izay tokony hitondra fiainana no nivadika ho fahafatesana ho ahy. BSB BSB: So I discovered that the very commandment that was meant to bring life actually brought death.
11 ULB Fa ny fahotana dia naka vahana tamin'ny alalan'ny didy ka namitaka ahy. Tamin'ny alalan'ny didy no namonony ahy. BSB BSB: For sin, seizing its opportunity through the commandment, deceived me and through the commandment put me to death.
13 ULB Koa moa ve nivadika fahafatesana ho ahy izay tsara? Tsy hisy mihitsy anie izany. Fa ny ota, mba hafahany hiseho ho fahotana amin'ny alalan'izay tsara, dia nitondra fahafatesana tao amiko. Izany dia mba ho amin'ny alalan'ny didy, ny fahotana dia mety ho tonga tena fahotana tokoa. BSB BSB: Did that which is good, then, become death to me? Certainly not! But in order that sin might be exposed as sin, it produced death in me through what was good, so that through the commandment sin might become utterly sinful.
14 ULB Fa fantatsika fa ara-panahy ny lalàna, fa izaho avy amin'ny nofo. Efa namidy ho ao ambanin'ny fanandevozan'ny ota aho. BSB BSB: We know that the law is spiritual; but I am unspiritual, sold as a slave to sin.
15 ULB Fa ny zavatra ataoko, dia tsy tena azoko tsara. Satria izay tiako atao, dia tsy ataoko, ary izay halako, dia ataoko. BSB BSB: I do not understand what I do. For what I want to do, I do not do. But what I hate, I do.
16 ULB Fa raha manao izay tsy tiako aho, dia miray hevitra amin'ny lalàna fa tsara ny lalàna. BSB BSB: And if I do what I do not want to do, I admit that the law is good.
17 ULB Fa ankehitriny dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny fahotana izay velona ato anatiko. BSB BSB: In that case, it is no longer I who do it, but it is sin living in me that does it.
18 ULB Fa fantatro fa ato amiko, izay ato amin'ny nofoko, dia tsy misy zavatra tsara miaina. Fa ny faniriana ny tsara dia ato amiko, saingy tsy afa-manao izany aho. BSB BSB: I know that nothing good lives in me, that is, in my flesh; for I have the desire to do what is good, but I cannot carry it out.
19 ULB Fa ny tsara izay tiako dia tsy ataoko, fa ny ratsy izay tsy tiako, no ataoko. BSB BSB: For I do not do the good I want to do. Instead, I keep on doing the evil I do not want to do.
20 ULB Ary raha manao izay tsy tiako atao aho, dia tsy izaho intsony no miasa izany, fa kosa ny fahotana izay miaina ato amiko. BSB BSB: And if I do what I do not want, it is no longer I who do it, but it is sin living in me that does it.
21 ULB Ary, izaho dia nahita, ny fitsipika ato amiko fa te hanao izay tsara aho, saingy ny ratsy no ato amiko izao. BSB BSB: So this is the principle I have discovered: When I want to do good, evil is right there with me.
22 ULB Fa miravoravo ao amin'ny lalàn'Andriamanitra aho amin'ny fanahy maha olona. BSB BSB: For in my inner being I delight in God’s law.
23 ULB Kanefa mahita fitsipika iray hafa ao amin'ny momba ny tenako aho. Izany dia miady amin'izany fitsipika vaovao ao an-tsaiko izany. Mihazona ahy ho babon'ny fitsipiky ny fahotana izay ao amin'ny momba ny tenako izany. BSB BSB: But I see another law at work in my body, warring against the law of my mind and holding me captive to the law of sin that dwells within me.
24 ULB Olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin'ity tenan'ny fahafatesana ity? BSB BSB: What a wretched man I am! Who will rescue me from this body of death?
25 ULB Fa isaorana Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika! Noho izany, izaho tenako dia manompo ny lalàn'Andriamanitra amin'ny saiko. Na dia izany aza, dia manompo ny fitsipikin'ny fahotana amin'ny nofo aho. BSB BSB: Thanks be to God, through Jesus Christ our Lord! So then, with my mind I serve the law of God, but with my flesh I serve the law of sin.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.