1 ULB Ary niakatra teo amin'ny vavahady i Boaza ary nijanona teny. Indro, tonga ilay havana akaiky izay efa noresahan'i Boaza. Hoy i Boaza taminy hoe: "Ry namako, manatona ary mipetraha eto." Nanatona ilay lehilahy ary nipetraka. BSB BSB: Meanwhile, Boaz went to the gate and sat down there. Soon the kinsman-redeemer of whom he had spoken came along, and Boaz said, “Come over here, my friend, and sit down.” So he went over and sat down.
2 ULB Avy eo dia naka lehilahy folo tamin'ireo loholona teo an-tanàna i Boaza ary niteny hoe: "Mipetraha eto." Ka nipetraka izy ireo. BSB BSB: Then Boaz took ten of the elders of the city and said, “Sit here,” and they did so.
3 ULB Hoy i Boaza tamin'ilay havana akaiky hoe: "Naomy, izay niverina avy any amin'ny tanànan'i Moaba, dia mivarotra ampahan-tany izay an'i Elimeleka rahalahintsika. BSB BSB: And he said to the kinsman-redeemer, “Naomi, who has returned from the land of Moab, is selling the piece of land that belonged to our brother Elimelech.
4 ULB Nieritreritra ny hampahafantatra anao sy hilaza aminao aho hoe: 'Vidio eo anatrehan'ireo izay mipetraka eto izany, ary eo anatrehan'ireo loholon'ny vahoakako.' fa raha maniry ny hanavotra izany ianao, havoty izany. Fa raha tsy tianao ny hanavotra izany, dia teneno aho, mba hahafantarako, satria tsy misy hanavotra an'io ankoatra anao, ary izaho manohana anao." Ary hoy ilay lehilahy iray hafa hoe: "Ho avotako io." BSB BSB: I thought I should inform you that you may buy it back in the presence of those seated here and in the presence of the elders of my people. If you want to redeem it, do so. But if you will not redeem it, tell me so I may know, because there is no one but you to redeem it, and I am next after you.” “I will redeem it,” he replied.
5 ULB Ary hoy i Boaza hoe: "Amin'ny andro izay hividiananao io tany eny an-tanan'i Naomy io, dia tsy maintsy maka an'i Rota ilay Moabita, vadin'ilay lehilahy maty, mba hanandratra ny anaran'ilay lehilaly maty amin'ny lovany ihany koa ianao." BSB BSB: Then Boaz said, “On the day you buy the land from Naomi and also from Ruth the Moabitess, you must also acquire the widow of the deceased in order to raise up the name of the deceased on his inheritance.”
6 ULB Ary hoy ilay havana akaiky hoe: "Tsy afaka ny hanavotra izany ho an'ny tenako aho raha manimba ny lovako izany. Alaivo ho anao ny zon'ny fanavotako, satria tsy afaka ny hanavotra izany aho." BSB BSB: The kinsman-redeemer replied, “I cannot redeem it myself, or I would jeopardize my own inheritance. Take my right of redemption, because I cannot redeem it.”
7 ULB Ary izany no fomba fahiny tao Israely mahakasika ny fanavotana sy fifanakalozan'entana. Mba hanamafisana ny zava-drehetra, ny lehilahy iray dia nanala ny kirarony ary nanome izany ho an'ny mpiara-belona aminy; izany no fomba fanaovana fifanekena manara-dalàna tao Israely. BSB BSB: Now in former times in Israel, concerning the redemption or exchange of property, to make any matter legally binding a man would remove his sandal and give it to the other party, and this was a confirmation in Israel.
8 ULB Ka hoy ilay havana akaiky tamin'i Boaza hoe: "Vidio ho an'ny tenanao izany," ary nesoriny ny kapany. BSB BSB: So the kinsman-redeemer removed his sandal and said to Boaz, “Buy it for yourself.”
9 ULB Ary hoy i Boaza tamin'ireo loholona sy ny olona rehetra hoe: "Vavolombelona ianareo androany fa efa novidiko daholo izay rehetra an'i Elimeleka sy izay rehetra an'i Kiliona ary Mahalona teny an-tanan'i Naomy. BSB BSB: At this, Boaz said to the elders and all the people, “You are witnesses today that I am buying from Naomi all that belonged to Elimelech, Chilion, and Mahlon.
10 ULB Raha ny momban'i Rota ilay Moabita, vadin'i Mahalona: Efa nalaiko ho vadiko koa izy, mba hahafahako manandratra ny anaran'ilay lehilahy maty mba ho lovany, ka tsy hiala eo amin'ireo rahalahiny sy eo amin'ny vavahadin'ny fonenany ny anarany. Vavolombelona ianareo anio." BSB BSB: Moreover, I have acquired Ruth the Moabitess, Mahlon’s widow, as my wife, to raise up the name of the deceased through his inheritance, so that his name will not disappear from among his brothers or from the gate of his home. You are witnesses today.”
11 ULB Hoy ireo olona rehetra izay teo amin'ny vavahady sy ireo loholona hoe: "Vavolombelona izahay. I Yaveh anie hanao ilay vehivavy izay tonga ao antranonao ho toa an'i Rahely sy Lea, izy roa izay nanangana ny tranon'ny Israely; ary enga anie ianao hahomby ao Efrata ary halaza ao Betlehema. BSB BSB: “We are witnesses,” said the elders and all the people at the gate. “May the LORD make the woman entering your home like Rachel and Leah, who together built up the house of Israel. May you be prosperous in Ephrathah and famous in Bethlehem.
12 ULB Enga anie ny tranonao ho toy ny tranon'i Fareza, izay naterak'i Tamara tamin'i Joda, amin'ny alalan'ny taranaka izay homen'i Yaveh anao miaraka amin'io tovovavy io." BSB BSB: And may your house become like the house of Perez, whom Tamar bore to Judah, because of the offspring the LORD will give you by this young woman.”
14 ULB Hoy ilay vehivavy tamin'i Naomy hoe: "Hisaorana anie i Yaveh, izay tsy namela anao tsy hanan-kavana akaiky, dia ity zaza ity. Halaza ao Israely anie ny anarany. BSB BSB: Then the women said to Naomi, “Blessed be the LORD, who has not left you this day without a kinsman-redeemer. May his name become famous in Israel.
15 ULB Enga anie izy ho ilay hamerina ny fiainanao amin'ny laoniny ary hikarakara anao rehefa antitra ianao, fa ny vinantonao, izay tia anao, izay tsara aminao mihoatra noho ny zanaka fito lahy, no niteraka azy." BSB BSB: He will renew your life and sustain you in your old age. For your daughter-in-law, who loves you and is better to you than seven sons, has given him birth.”
16 ULB Noraisin'i Naomy ilay zaza, dia nampatoriany teo an-tratrany, ary nokarakarainy. BSB BSB: And Naomi took the child, placed him on her lap, and became a nurse to him.
17 ULB Nomen'ireo vehivavy mpiara-belona anarana izy hoe: "Ilay zaza lahy nateraka ho an'i Naomy." Nantsoin'izy ireo hoe: Obeda. Izy dia niteraka an'i Jese, izay niteraka an'i Davida. BSB BSB: The neighbor women said, “A son has been born to Naomi,” and they named him Obed. He became the father of Jesse, the father of David.
18 ULB Ary ireto no taranak'i Fareza: I Fareza dia niteraka an'i Hezrona, BSB BSB: Now these are the generations of Perez: Perez was the father of Hezron,
19 ULB i Hezrona niteraka an'i Rama, i Rama niteraka an'i Aminadaba, BSB BSB: Hezron was the father of Ram, Ram was the father of Amminadab,
20 ULB i Aminadaba niteraka an'i Nasona, i Nasona niteraka an'i Salmona, BSB BSB: Amminadab was the father of Nahshon, Nahshon was the father of Salmon,
21 ULB i Salmona niteraka an'i Boaza, i Boaza niteraka an'i Obeda, BSB BSB: Salmon was the father of Boaz, Boaz was the father of Obed,
22 ULB i Obeda niteraka an'i Jese, ary i Jese niteraka an'i Davida. BSB BSB: Obed was the father of Jesse, and Jesse was the father of David.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.