1 ULB Endrey, tsara tarehy ianao, ry malalako; tsara tarehy ianao. Ny masonao dia voromailala ao ambadiky ny voalinao. Ny volonao dia tahaka ny andian'osy midina avy eny an-tendrombohitr'i Gileada. BSB BSB: How beautiful you are, my darling—how very beautiful! Your eyes are like doves behind your veil. Your hair is like a flock of goats streaming down Mount Gilead.
2 ULB Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy vao naratana, miakatra avy any amin'ny toerana fandroana. Samy kambana avy ireo, ary tsy misy banga. BSB BSB: Your teeth are like a flock of newly shorn sheep coming up from the washing; each has its twin, and not one of them is lost.
3 ULB Ny molotrao dia tahaka ny kofehy jaky; maha-te ho tia ny vavanao. Tahaka ny hasin'ampongabendanitra ny takolakao ao ambadiky ny voalinao. BSB BSB: Your lips are like a scarlet ribbon, and your mouth is lovely. Your brow behind your veil is like a slice of pomegranate.
4 ULB Ny vozonao dia tahaka ny tilikambon'i Davida voaorina eny amin'ny filaharam-bato, miaraka amin'ny ampinga arivo mihantona eo amin'izany, dia ny ampingan'ireo miaramila rehetra. BSB BSB: Your neck is like the tower of David, built with rows of stones; on it hang a thousand shields, all of them shields of warriors.
5 ULB Ny nononao roa dia tahaka ny diera roa, gazela kambana, miraoka eny amin'ireo lilia. BSB BSB: Your breasts are like two fawns, twins of a gazelle grazing among the lilies.
6 ULB Ambara-pahatongan'ny vao mangiran-dratsy ka mandositra lavitra ny aloka, dia handeha ho any an-tendrombohitry ny miora sy any amin'ny havoan'ny ditin-kazo manim-pofona aho. BSB BSB: Before the day breaks and the shadows flee, I will make my way to the mountain of myrrh and to the hill of frankincense.
7 ULB Tsara tarehy amin'ny lafiny rehetra ianao, ry malalako ary tsy misy kilema aminao. BSB BSB: You are altogether beautiful, my darling; in you there is no flaw.
8 ULB Miaraha amiko avy any Libanona, ry ilay ampakariko. Miaraha amiko avy any Libanona; tongava avy any an-tampon'i Amana, avy any an-tampon'i Senira sy Hermona, avy any an-davaky ny liona, avy any amin'ny tendrombohitra lavaky ny leoparada. BSB BSB: Come with me from Lebanon, my bride, come with me from Lebanon! Descend from the peak of Amana, from the summits of Senir and Hermon, from the dens of the lions, from the mountains of the leopards.
9 ULB Lasanao ny foko, ry havako, ry ilay ampakariko; lasanao ny foko, tamin'ny fijery iray monja taty amiko, tamin'ny firavaka iray monja teo amin'ny vozonao. BSB BSB: You have captured my heart, my sister, my bride; you have stolen my heart with one glance of your eyes, with one jewel of your neck.
10 ULB Endrey ny hatsaran'ny fitiavanao, ry havako, ry ilay ampakariko! Endrey ny hatsaran'ny fitiavanao mihoatra ny divay, sy ny fameroveron'ny ranomanitrao mihoatra noho izay zava-manitra rehetra. BSB BSB: How delightful is your love, my sister, my bride! Your love is much better than wine, and the fragrance of your perfume than all spices.
11 ULB Ny molotrao, ry ilay ampakariko, dia mitete tantely; tantely sy ronono no ao ambanin'ny lelanao; ny fameroveron'ny akanjonao dia tahaka ny fameroveron'i Libanona. BSB BSB: Your lips, my bride, drip sweetness like the honeycomb; honey and milk are under your tongue, and the fragrance of your garments is like the aroma of Lebanon.
12 ULB Ry havako, saha voahidy ilay ampakariko, eny saha voahidy, loharano voatombo-kase. BSB BSB: My sister, my bride, you are a garden locked up, a spring enclosed, a fountain sealed.
13 ULB Ny sampanao dia ala kelin'ampongabendanitra misy voankazo voafantina, ary moina sy narda, BSB BSB: Your branches are an orchard of pomegranates with the choicest of fruits, with henna and nard,
14 ULB Narda sy safrona, veromanitra sy kanelina miaraka amin'ireo karazana hanitra rehetra, dia miora sy havozo mbamin'ireo zava-manitra tsara indrindra rehetra. BSB BSB: with nard and saffron, with calamus and cinnamon, with every kind of frankincense tree, with myrrh and aloes, with all the finest spices.
15 ULB Sahan-doharano ianao, fantsakan-drano madio, rian-drano mikoriana avy any Libanona. Ilay tovovavy miteny amin'ny malalany hoe: BSB BSB: You are a garden spring, a well of fresh water flowing down from Lebanon.
16 ULB Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra; avia, ry rivotra avy any atsimo; tsofy ny sahako mba hampiely ny fameroveron'ny fofony manitra. Enga anie ka ho tonga ao amin'ny sahany ny malalako ka hihinana ny sasany amin'ny voankazo voafantiny. BSB BSB: Awake, O north wind, and come, O south wind. Breathe on my garden and spread the fragrance of its spices. Let my beloved come into his garden and taste its choicest fruits.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.