1 ULB Tonga tao an-tsahako aho, ry havako, ry ilay ampakariko; efa nanangona ny miorako mbamin'ny zava-manitro aho. Efa nihinana ny tohon-tanteliko mbamin'ny tanteliko aho; efa nisotro ny divaiko mbamin'ny rononoko aho. Hoy ireo sakaiza miresaka amin'ireo malala Mihinàna; ry sakaiza, misotroa ary aoka ho mamon'ny fitiavana. Hoy ilay tovovavy miresaka amin'ny tenany. BSB BSB: I have come to my garden, my sister, my bride; I have gathered my myrrh with my spice. I have eaten my honeycomb with my honey; I have drunk my wine with my milk. Eat, O friends, and drink; drink freely, O beloved.
2 ULB Natory aho, nefa ny foko dia nifoha tao anaty nofy. Injany ny feon'ny malalako mandondona ary manao hoe: "Vohay aho, ry havako, ry malalako, ry voromailalako, ry madioko, fa hotsaky ny ando ny lohako, feno andon'ny alina ny voloko." BSB BSB: I sleep, but my heart is awake. A sound! My beloved is knocking: “Open to me, my sister, my darling, my dove, my flawless one. My head is drenched with dew, my hair with the dampness of the night.”
3 ULB "Efa nanala ny akanjolavako aho; dia tsy maintsy hanao izany indray ve? Efa nosasako ny tongotro; dia tsy maintsy ho lotoiko ve?" BSB BSB: I have taken off my robe—must I put it back on? I have washed my feet—must I soil them again?
4 ULB Nampiditra ny tanany teo amin'ny fisokafan'ny hidim-baravarana ny malalako, ary nientanentana ho azy ny foko. BSB BSB: My beloved put his hand to the latch; my heart pounded for him.
5 ULB Niarina aho mba hamoha ny varavarana ho an'ny malalako; nitete miora ny tanako, nisy ranona miora ny rantsan-tanako, teo amin'ny famoaham-baravarana. BSB BSB: I rose up to open for my beloved. My hands dripped with myrrh, my fingers with flowing myrrh on the handles of the bolt.
6 ULB Nanokatra ny varavarana ho an'ny malalako aho, nefa niodina ny malalako ka nandeha. Difotra ny foko; nanjary kivy aho. Nitady azy aho, nefa tsy hitako izy; niantso azy aho, nefa tsy namaly ahy izy. BSB BSB: I opened for my beloved, but he had turned and gone. My heart sank at his departure. I sought him but did not find him. I called, but he did not answer.
7 ULB Ireo mpiambina izay nandeha tamin'ny tanàna nahita ahy; nokapohin'izy ireo aho ary noratrainy; ireo mpiambina teny amin'ny manda nanala ny fitafiako tamiko. Hoy ilay tovovavy niresaka tamin'ireo vehivavy tao an-tanàna BSB BSB: I encountered the watchmen on their rounds of the city. They beat me and bruised me; they took away my cloak, those guardians of the walls.
8 ULB Tiako hampanantena ianareo, ry zanaka vavin'i Jerosalema, fa raha hitanareo ny malalako, dia lazao azy fa marary nohon'ny fitiavako azy aho. Hoy ireo vehivavy tao an-tanàna niresaka tamin'ilay tovovavy BSB BSB: O daughters of Jerusalem, I adjure you, if you find my beloved, tell him I am sick with love.
9 ULB Ahoana ny malalanao no tsara noho ny malala hafa, ianao izay tsara tarehy eo amin'ireo vehivavy? Nahoana ny malalanao no tsara noho ny malalan'ny hafa, no dia mangataka anay hanao fianianana tahaka izao ianao? Hoy ilay tovovavy niresaka tamin'ireo vehivavin'ny tanàna BSB BSB: How is your beloved better than others, O most beautiful among women? How is your beloved better than another, that you charge us so?
10 ULB Ny malalako dia mamiratra sady mena, tsy manam-paharoa amin'ireo an'aliny. BSB BSB: My beloved is dazzling and ruddy, outstanding among ten thousand.
11 ULB Ny lohany dia volamena tsara indrindra; ny volony dia olioly sady mainty tahaka ny goaika. BSB BSB: His head is purest gold; his hair is wavy and black as a raven.
12 ULB Ny masony dia tahaka ny voromailala akaikin'ny rian-drano, nosasana tamin'ny ronono, natohitohy toy ny firavaka. BSB BSB: His eyes are like doves beside the streams of water, bathed in milk and mounted like jewels.
13 ULB Ireo takolany dia tahaka ny fandrian-java-manitra, mamokatra hanitra mamerovero. Ny molony dia lilia, mitete miora. BSB BSB: His cheeks are like beds of spice, towers of perfume. His lips are like lilies, dripping with flowing myrrh.
14 ULB Ireo sandriny dia voahodidina volamena natao firavaka, ny kibony dia ivory voarakotra safira. BSB BSB: His arms are rods of gold set with beryl. His body is polished ivory bedecked with sapphires.
15 ULB Ireo tongony dia andry vita amin'ny marba, mifototra amin'ny volamena tsy mifangaro; ny endriny dia tahaka an'i Libanona, tsiriritina tahaka ny sedera. BSB BSB: His legs are pillars of marble set on bases of pure gold. His appearance is like Lebanon, as majestic as the cedars.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.