1 ULB Paoly, mpanompon'Andriamanitra ary Apostolin'i Jesosy Kristy, hanamafy ny finoan'ny olom-boafidin'Andriamanitra sy ny fahalalana ny marina izay manaraka ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, BSB BSB: Paul, a servant of God and an apostle of Jesus Christ for the faith of God’s elect and their knowledge of the truth that leads to godliness,
2 ULB amin'ny fahatokisana ny fiainana mandrakizay, izay nampanantenain'Andriamanitra, ilay tsy mandainga, fony fahagola. BSB BSB: in the hope of eternal life, which God, who cannot lie, promised before time began.
3 ULB Tamin'ny fotoana voatondro, dia nasehony ny teniny tamin'ny hafatra izay natokisany ho ampitaiko. Nataoko izany araka ny didin'Andriamanitra ilay Mpamonjy antsika. BSB BSB: In His own time He has made His word evident in the proclamation entrusted to me by the command of God our Savior.
4 ULB Ho an'i Titosy, zanaka marina ao amin'ny finoana hiombonantsika. Fahasoavana sy fiadanana avy amin'Andriamanitra ilay Ray sy Jesosy Kristy Mpamonjy antsika. BSB BSB: To Titus, my true child in our common faith: Grace and peace from God the Father and Christ Jesus our Savior.
5 ULB Noho izao antony izao no namelako anao tany Kreta, dia ny mba handaminanao ireo zavatra mbola tsy vita sy hanendry loholona isaky ny tanàna araka izay efa nandidiako anao. BSB BSB: The reason I left you in Crete was that you would set in order what was unfinished and appoint elders in every town, as I directed you.
6 ULB Ny loholona dia tsy tokony hanan-tsiny mihintsy, vadin'ny vehivavy iray, manana zanaka mino tsy voampanga ho manara-po amin'ny ratsy na maditra. BSB BSB: An elder must be blameless, the husband of but one wife, having children who are believers and who are not open to accusation of indiscretion or insubordination.
7 ULB Ilain'ny mpitandrina, amin'ny maha-mpanao ny asan'Andriamanitra, ny tsy fananan-tsiny. Tsy tokony hahery fiteny na mirehareha. Tsy tokony ho mora tezitra, tsy mpimamo, tsy lian'ady, ary tsy olona tia vola. BSB BSB: As God’s steward, an overseer must be above reproach—not self-willed, not quick-tempered, not given to drunkenness, not violent, not greedy for money.
8 ULB Fa kosa, tokony hampiantrano izy, sakaizan'izay tsara. Tsy maintsy mahonon-tena, marina, masina, ary mahafehy tena. BSB BSB: Instead, he must be hospitable, a lover of good, self-controlled, upright, holy, and disciplined.
9 ULB Tokony mitana mafy ny hafatra izay efa nampianarina izy, mba afahany mampahery ireo hafa amin'ny fampianarana tsara ary hanitsy ireo izay manohitra azy. BSB BSB: He must hold firmly to the faithful word as it was taught, so that he can encourage others by sound teaching and refute those who contradict it.
10 ULB Fa maro ny olona mpikomy, indrindra ireo izay voafora. Tsy misy lanjany ny tenin'izy ireo. Mandiso fanantenana sy mitarika ny olona any amin'ny lalan-diso izy ireo. BSB BSB: For many are rebellious and full of empty talk and deception, especially those of the circumcision,
11 ULB Ilaina ny manakana azy ireny. Mampianatra ny tsy tokony hampianarina izy ireo mba ahazoana harena maloto ary mandrava ny fianakaviana manontolo. BSB BSB: who must be silenced. For the sake of dishonorable gain, they undermine entire households and teach things they should not.
13 ULB Marina izany voalaza izany, noho izany anaro mafy izy ireo mba hatanjaka amin'ny finoana. BSB BSB: This testimony is true. Therefore rebuke them sternly, so that they will be sound in the faith
14 ULB Aza miraharaha ireo anganon'ny Jiosy na ireo didin'ny olona izay niala tamin'ny fahamarinana. BSB BSB: and will pay no attention to Jewish myths or to the commands of men who have rejected the truth.
15 ULB Ho an'ireo izay madio, dia madio ny zavatra rehetra. Fa ho an'ireo izay voaloto sy tsy mino kosa, dia tsy misy madio na inona na inona. Noho ny saina sy ny fieritretretany efa voaloto. BSB BSB: To the pure, all things are pure; but to the defiled and unbelieving, nothing is pure. Indeed, both their minds and their consciences are defiled.
16 ULB Manaiky fa mahalala an'Andriamanitra izy ireo, kanefa mandà Azy amin'ireo asany. Mpankahala sy mpandika lalàna izy ireo. Tsy mahavita asa tsara na inona na inona. BSB BSB: They profess to know God, but by their actions they deny Him. They are detestable, disobedient, and unfit for any good deed.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.