1 ULB Ampaherezo izy ireo hanaiky ireo mpanapaka sy ireo manam-pahefana, hankatoa azy ireo, ho vonona amin'ny asa tsara rehetra. BSB BSB: Remind the believers to submit to rulers and authorities, to be obedient and ready for every good work,
2 ULB Ampatsiahivo izy ireo tsy haneso na iza na iza, hiala amin'ny adihevitra, hamela ny hafa hanaraka ny lalany, ary hampiseho fanetren-tena amin'ny olona rehetra. BSB BSB: to malign no one, and to be peaceable and gentle, showing full consideration to everyone.
3 ULB Fa teo aloha ny tenantsika dia tsy nanan-tsaina ary tsy nankàtoa. Voatarika tamin'ny lalan-diso isika ary nandevozin'ny filàna sy ny fahafinaretana samihafa. Niaina tao amin'ny faharatsiana sy ny fialonana isika. Nankahalaina izahay ary nifankahala isika. BSB BSB: For at one time we too were foolish, disobedient, misled, and enslaved to all sorts of desires and pleasures—living in malice and envy, being hated and hating one another.
4 ULB Fa rehefa niseho ny hatsaram-panahin'Andriamanitra mpamonjy antsika sy ny fitiavany ny olombelona, BSB BSB: But when the kindness of God our Savior and His love for mankind appeared,
5 ULB dia tsy tamin'ny asan'ny fahamarinana nataontsika izany, fa tamin'ny famindram-pony no namonjeny antsika. Izy dia namonjy antsika tamin'ny alalan'ny fanadiovan'ny fahateraham-baovao sy ny fanavaozana tamin'ny Fanahy Masina. BSB BSB: He saved us, not by the righteous deeds we had done, but according to His mercy, through the washing of new birth and renewal by the Holy Spirit.
6 ULB Andriamanitra nandrotsaka betsaka tamintsika ny Fanahy Masina tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy Mpamonjy antsika. BSB BSB: This is the Spirit He poured out on us abundantly through Jesus Christ our Savior,
7 ULB Nataony izany mba, ho voamarina tamin'ny fahasoavana, dia ho tonga mpandova isika amin'ny alalan'ny fahatokisana ny fiainana mandrakizay. BSB BSB: so that, having been justified by His grace, we would become heirs with the hope of eternal life.
8 ULB Izany hafatra izany dia mendri-pitokisana. Tiako hilaza momba izany zavatra izany am-pahatokisana ianareo, mba ireo izay mahatoky an'Andriamanitra dia hikasa hanao ireo asa tsara izay efa napetrany teo alohan'izy ireo. Izany zavatra izany dia sady tsara no mahasoa ho an'ny olona rehetra. BSB BSB: This saying is trustworthy. And I want you to emphasize these things, so that those who have believed God will take care to devote themselves to good deeds. These things are excellent and profitable for the people.
9 ULB Fa ialao ny adihevitra adala sy ny tantaram-pirazanana ary ny fifandiranana sy ny ady momban'ny lalàna. Ireo zavatra ireo dia zava-poana sy tsy mahasoa. BSB BSB: But avoid foolish controversies, genealogies, arguments, and quarrels about the law, because these things are pointless and worthless.
10 ULB Mandà izay olona rehetra miteraka fizarazarana eo anivonareo, aorian'ny fampitandremana indray na indroa, BSB BSB: Reject a divisive man after a first and second admonition,
11 ULB ary fantaro fa ny olona ohatr'izany dia niala tamin'ny lalana marina ary manota sy manameloka ny tenany. BSB BSB: knowing that such a man is corrupt and sinful; he is self-condemned.
12 ULB Rehefa naniraka an'i Artema na Tykiko any aminareo aho, dia faingàna ary mankanesa any amiko any Nikopolia, izay nanapahako hevitra andaniana ny ririnina. BSB BSB: As soon as I send Artemas or Tychicus to you, make every effort to come to me at Nicopolis, because I have decided to winter there.
13 ULB Faingàna ary alefaso Zena, ilay mpahay lalàna, sy Apolosy, mba tsy hanan-java-mahory izy ireo. BSB BSB: Do your best to equip Zenas the lawyer and Apollos, so that they will have everything they need.
14 ULB Ny olontsika dia tsy maintsy mianatra manao asa tsara izay ilaina maika mba tsy ahatonga azy ireo tsy hamokatra. BSB BSB: And our people must also learn to devote themselves to good works in order to meet the pressing needs of others, so that they will not be unfruitful.
15 ULB Ireo rehetra miaraka amiko dia manao veloma anareo. Manaova veloma ireo izay tia antsika amin'ny finoana. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana. BSB BSB: All who are with me send you greetings. Greet those who love us in the faith. Grace be with all of you.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.